La Gazette de la grande ile

Fihibohana an-trano : Tsy mazava intsony ny fihetsika ny fitondram-panjakana

Publié le 26 mars 2020

Miditra amin’ny andro fahefatra amin’ny fihibohana an-trano ny eto Antananarivo sy Toamasina. Tsiahivina ihany fa 15 andro no faharetan’izay fihibohana izay raha ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena, ny alahady lasa teo. Hita sy tsikaritra anefa fa manomboka mihamaro ny olom-pirenena mivezivezy eny an-dalana sy eny an-tsena, izany hoe tsy manaja intsony ny fepetra napetraka ny fitondram-panjakana amin’ny tokony hijanonana ao an-trano. Raha nasiaka sy hentitra ny mpitandro filaminana, ny alatsinainy teo, dia tsy hita taratra intsony izany nanomboka omaly fa toa lasa mamela malalaka ny olom-pirenena hivezivezy sy hidonana-poana eny rehetra eny izy ireo. Ny minisitra ny Atitany sy ny fitsinjaram-pehafana ary ny minisitr ny Foloalindahy anefa etsy andaniny dia manamafy hatrany rehefa miresaka amin’ny haino aman-jery fa tsy maintsy hajaina ny toromarika sy ny lamina apetraka, ary ho hentitra ny mpitandro filaminana amin’ny fampiharana izany. Hita ho mifanohitra amin’ny zava-misy eny ifotony ihany ny zavatra ambaran’ireo manam-pahefana. Tsy sasatra ny mamerina ohatra ireo mpitondra fa tsy maintsy mikatona avokoa ny tsena rehetra tsy ankanavaka, aorian’ny amin’ny 12 ora atoandro. Raha ny hita saika manerana ny fokontany rehetra eto Andrenivohitra anefa dia maro amin’ireo mpivarotra no tsy manaja izany. Ny tena mahagaga aza dia misy amin’ireo mpitandro filaminana na ny tompon’andraikitra eny anivon’ny fokontany no mahita izany trangan-javatra izany kanefa tsy mandray ny andraikiny. Maro amin’ny olom-pirenena aza moa no milaza fa toy ny fiainana isan’andro ihany no hita teto Andrenivohitra, omaly, saingy tsy misy fotsiny ny fiaram-pitateram-bahoaka. Tsy mazava intsony ny fihetsika ny fitondram-panjakana manoloana ireo fepetra apetraka eto amin’ny firenena, indrindra fa ny fihibohana eto Antananarivo sy any Toamasina. Eto Andrenivohitra aza moa dia izany no zava-misy koa vao mainka fa any amin’ireo toerana somary ambanivohitra tsy misy mpitandro filaminana mivezivezy. Angamba rehefa miditra amin’ny dingana faharoa na ny dingana fahatelo amin’ny ady atao amin’ny Coronavirus vao tena ho hentitra amin’izay ny fanjakana, izany hoe rehefa mihanaka eran’ny Nosy ny valan’aretina ary maro ny Malagasy maty.

F.Tsihiavonana

Lire aussi