La Gazette de la grande ile

INTY SY NDAY : Alao hery amin’izay rehefa…

Publié le 26 mars 2020

Mandia fotoan-tsarotra ny firenena maneran-tany amin’ny ankapobeny ankehitriny noho izao areti-mandoza “coronavirus” mamono olona sy mampalemy ny toekarena maneran-tany izao. Isan’ny tsy afa-bela amin’izany isika eto Madagasikara satria efa misy ny voan’io aretina io eto. Ny fepetra noraisintsika tamin’ny alalan’ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana koa dia efa nampiharina ka miteraka olana mavesatra eo amin’ny tontolom-pihariana, ary voa mafy kokoa noho izany ny ara-tsosialy, ny fiainana andavanandron’ny isan-tokonam-baravarana. Milaza miara-mahita ihany izahay raha manipika fa zara ange raha ny ampahafolon’ny Malagasy no manana ny hoenti-manao tahiry na ara-tsakafo na ara-panafody na ny kojakoja hafa takian’ny fiainana andavanandro amin’izao fotoana e!. Izao tranga izao indrindra no tokony hahatsapantsika rehetra, na mpitondra fanjakana na vahoaka olom-pirenena tsotra, fa raha mba firenena mitovy haavo ara-toekarena amin’ireo firenen-dehibe isika dia tsy ho tena sahitrana loatra niatrika izao olana izao. Tsy ifanomezan-tsiny anefa izany satria tonga amin’ilay fitenenana hoe “soa lavo hahay miarina, soa kenda hahay mitsako”. Mbola lavitr’ezaka rahateo ny tolona atrehin’ny vahoaka ho amin’izany tena fanavotam-pirenena izany, ary vao mainka mihamafy ny tolona atrehina satria manampy trotraka ny zava-nisy hatrizay izao olana ateraky ny fianahan’ny aretina “coronavirus” izao. Raha ny fiatrehana ity aretina ity manokana no asian-teny, araka ny fandinihan’ny Dr Fidy Bariniaina ao amin’ny “Image Appli », amin’ity laharan-gazety ity, dia tsy afaka ny handihy tsy afa-tavony amin’io aretina io mihitsy isika na misinda aza ny fihanaky ny aretina sy ny fahavoazan’ireo efa nidiran’io tsimok’aretina io raha tsy afaka ny vanim-potoana’ny ririnina. Na izany na tsy izany, izao zavatra lalovan’ny firenena Malagasy izao dia tokony hahatsapan’ny rehetra fa vahaolana maharitra hahafahan’ny firenena Malagasy sy ny vahoaka miavo-tena sy manarina ny fari-piainany ary irosoana amin’ny tena fampandrosoana azo antoka ny fifehezantsika ny harem-pirenentsika. Toa adinodinontsika mantsy fa manana vahaolana azo antoka hiatrehana ny zava-mitranga sy fahasahiranana mangeja antsika isika, ka alao hery amin’izay àry fa  hitantsika izao ny voka-dratsin’ny tsy nanomezantsika lanja loatra ny fiarovantsika ny harem-pirenentsika, toy ny vatosoa  sarobidy sy volamena mbamin’ny tokony hijerena manokana ny fanavaozana ny fifanarahana amin’ireo tetik’asa lehibe toa an’Ambatovy sy ny QMM. Izao tranga sy vanim-potoana lalovan’ny firenentsika izao koa no manaporofo fa marim-pototra ny tolom-pitakiana ny famerenan’i Frantsa an’ireo Nosy Malagasy manodidina, sy ny hahafahantsika Malagasy misitraka ny faritra ao atsimo ao, antsoina hoe “plateau continental” izay misy harem-be tsy hita pesipesenina. Mety hisy hilaza hoe “inona no ifandraisan’izany rehetra izany amin’ny ady atrehina amin’ny fihanahan’ny “coronavirus” amin’izao fotoana? Tena misy tokoa satria raha haintsika ny niaro ny harem-pirenentsika ka nokatsahintsika ny rariny tamin’ny anjarantsika Malagasy amin’ireo harenantsika trandrahina etsy sy eroa, na ny amin’ireo tetik’asa goavana momba ny harena ankibon’ny tany, dia azo antoka fa tsy ho sahirana firy ny fitondram-panjakana nitondra fanamaivanam-pahasahiranana amin’ny vahoaka izay voatery mihiboka any antranony. Fisintona lesona izao zava-misy izao ka alao hery amin’izay amin’ny fanamafisana ny famondronan-kery ho amin’ny tolom-pitakiana an’ireo Nosy Malagasy sy ny ezaka hanavaozana ny fifanarahana amin’ireo mpitrandraka ny harenantsika hatrizay mba hisitrahan’ny vahoaka ny anjara-harena nomen-Janahary azy.

Ralay

Lire aussi