La Gazette de la grande ile

Coronavirus : Manomboka misy maty aty amin’ny Ranomasimbe Indiana

Publié le 01 avril 2020

Isan’ireo Nosy ao anatin’ny lafin-tany frantsay aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana i Mayotte. Herinandro talohan’ny nahafantarana fa misy olona avy any ampitan’ny ranomasina mitondra ny valan’aretina coronavirus teto Madagasikara no nahafantarana fa efa tafiditra tao amin’ity Nosy Mayotte ity io valan’aretina io. Omaly no nisy olona voalohany namoy ny ainy tamin’ireo nitondra io tsimok’aretina io tao.

Midika izany fa tokony hamafisina hatrany ny fiarovantsika tena eto Madagsiakara. Hatramin’ny omaly mantsy dia 50 ireo fantatra fa mitondra an’io tsimok’aretina io eto amintsika eto Madagasikara. Azo antoka fa misy hafa ankoatra ireo 50 ireo any saingy tsy mbola vita fitiliana. Tsy fantatra hoe iza sy iza avy koa ireo nifanerasera tamin’ireo efa mitondra io tsimok’aretina io fa ny fahendrena indrindra dia ny manaraka ny fepetra nofaritan’ny fitondram-panjakana sy ny manam-pahaizana momba ny siansa fa tena azo antoka tsy hahazoana an’io tsimok’aretina io, dia ny fihibohana an-trano izany. Ao koa ireo fepetra hafa tsy azo atao ambanin-javatra toy ny fanasan-tanana matetika amin’ny savony.

Lire aussi