La Gazette de la grande ile

Fiarovana amin’ny Covid-19 : Tsy hiadian-kevitra ny fihibohana an-trano

Publié le 01 avril 2020

Andro vitsy sisa dia hifarana ny fepetra fihibohana an-trano hiadiana amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid-19 eto amintsika. Ny andrasan’ny be sy ny maro ankehitriny dia ny hoe mbola hitohy ve io fihibohana io aorian’ny 4 aprily sa hifarana tanteraka. Raha ny fanazavana nentin’ny filoham-pirenena dia hisy ny tombana hataon’ny governemanta sy ireo manam-pahaizana rehetra voakasika amin’ny ady atao amin’ity areti-mandringana ity ka amin’io fotoana io no handraisana ny fanapahan-kevitra vaovao. Ny zavatra tsikaritra ankehitriny dia maro ny Malagasy mihevitra fa tsy tokony hihitatra intsony ny fihibohana satria misy fiantraikany ratsy ho an’ireo olona sahirana, indrindra fa ho an’ireo mitrongo vao omana. Tsy azo lavina fa misy tokoa ny fiantraikany ratsy amin’ny fampiharana ny fihibohana an-trano eto Andrenivohitra sy any Toamasina, saingy raha tiana ny tsy hiparitahan’ny valan’aretina eto amintsika dia io fepetra io ihany no vahaolana mahomby indrindra. Tsara marihana fa saika ny firenena rehetra efa ahitàna trangana Coronavirus amin’izao fotoana izao no mampihatra ny fihibohana na ny “confinement”. Rehefa mijery ny vaovao iraisam-pirenena dia mahita fa mitombo isan’andro ireo renivohitra sy tanàn-dehibe miditra amin’io fepetra io. Na ireo mpitondra tsy nankasitraka izany tany amboalohany aza dia nihova hevitra ihany taty aoriana. Ny filoha breziliana Jair Bolosonaro irery sisa hatreto no mbola miziriziry tsy mety hampihatra ny fihibohana ao amin’ny fireneny kanefa mitombo isan’andro ny olona voamarina fa mitondra ny tsimonkaretina sy ireo maty. Tsiahivina fa ny OMS na ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana mihitsy no manome toromarika ny firenena rehetra mba hampihatra an’io fepetra henjana io mba afahana miady amin’ny fiparitahan’ny Coronavirus, ary tsy voafehin’ny Sinoa sy ny Koreana Tatsimo mihintsy ny valan’aretina raha tsy niditra tamin’izay fihibohana izay.

F.Tsihiavonana

Lire aussi