La Gazette de la grande ile

FFKM : miantso ny vahoaka mba hanaja ireo torimarika omen’ny mpitondra

Publié le 14 avril 2020

Tontosa teny amin’ny katedraly Andohalo, ny alahady teo, ny fotoam-bavaka iraisam-pinoana hanamarihana ny paska izay nataon’ireo filoham-piangonana efatra miralahy eo anivon’ny FFKM. Noho ny krizy ara-pahasalamana mandalo eto amin’ny firenena moa dia tsy nisy mino nanatrika ny fotoam-bavaka fa nalefa mivantana tamin’ny haino aman-jery. Nandritra io fotoana io no nanararaotra nandefa hafatra ho an’ny Malagasy rehetra manoloana izao toe-draharaha iainan’ny firenena izao ny filohan’ny FFKM, ny pasitera Rakotonirina David. Ankaotra ny fiantsoana amin’ny fitodihana amin’Andriamanitra nahary izao tontolo izao dia niantso ny Malagasy rehetra mba hanaja ireo torimarika sy fepetra hapetraky ny fitondram-panjakana hiadiana amin’ny valan’aretina Coronavirus ny FFKM. Sarotra ny zavatra iainan’ny mponina, saingy tsy maintsy mihatrika ny zava-misy ny rehetra ary manaraka ny lamina hapetraka raha tiana ny hiverenan’ny fiainana haingana amin’ny laoniny. Ilaina ny firaisan-kina sy firaisan-tsaina eo amin’ny Malagasy rehetra manoloana ity areti-mandringana ity satria ny firaisan-kina no hery afahana mandresy izany, raha ny nambaran’ny pasitera Rakotonirina David. I

F.T.

Lire aussi