La Gazette de la grande ile

Fizarana Covid Organics : tandrovy ny fahadiovana

Publié le 23 avril 2020

Lava ny filaharana haka ny tambavy “covid organics” raha ny hita omaly, teny amin’ireo toerana natokan’ny fokontany nizarana an’izany. Ankalamanjana. Tsy fizarana tambavy efa anaty tavoahangy no natao fa fizarana gaboraraka na “en vrac”. Ny namidy teny amin’ny tsena malalaka  (grande surface) no efa vita an-tavoahangy (plastika) toy ny ranom-boankazo fisotro mahazatra.

Ny fizarana eny anivon’ny fiaraha-monina no tian-kambara eto. Ilaina ny fitandroana ny fahadiovana satria sao goro (tavoahangy na kaopy na vera…°) tsy madio tsara no akana azy ka hiteraka olana ara-pahasalamana hafa.

Ilaina koa ny mailo sao misy ratsy saina ka mody maka tambavy izy nefa mandraraka poizina mba handotoana ilay tanjona ho amin’ny fisorohana ny tsy handairan’ny aretina coronavirus.

Tokony hisy mandrakariva koa ny mpiasan’ny fahasalamana miara-dia amin’ireny fizarana tambavy ankalamanjana eny anivon’ny fiaraha-monina ireny mba hampahafantatra ny mponina ny fomba fisotroana azy fa tsy ampy loatra ny fanazavana sy fampitam-baovao momba izany.

Mety misy koa olona te hangataka fanampim-panazavana na manana fanontaniana manitikitika azy ka tsy misy afa-tsy ny mpiasan’ny fahasalamana (dokotera na mpitsabo mpanampy farafaharatsiny) no hany afaka mitondra fanazavana momba izany.

Ny iangaviana anareo mpitsabo na ny manam-pahaizana manazava ny fampiasana io tambavy io koa dia mba ataovy mitovy ny fomba fanazavana fa hatreto dia toa samy manana ny fanazavany, indrindra ny fatran’ny tambavy tokony sotroina sy ny fotoana isotroana azy.

Rainisoa

Lire aussi