La Gazette de la grande ile

Ady amin’ny tazomoka : Distrika 9 no atao laharam-pamehana

Publié le 03 juin 2020

Mbola mitàna ny sain’ny olona rehetra aloha hatreto ny Coronavirus, ary tsy eto Madagasikara ihany fa manerana izao tontolo izao. Ankaotra ity valan’aretina niainga tany Sina ity dia mamely mafy ihany koa amin’izao fotoana izao ny Tazomoka eto amintsika, saingy noho ny Coronavirus dia tsy voaresaka firy ny aretina. Mampivarahontsana ny atontan’isa ofisialy mivoaka satria be lavitra noho ny tamin’ny taon-dasa na ny tamin’ny taona 2018. Araka ny atontan’isa nomen’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka dia efa tafakatra 552 amin’izao fotoana ny olona matin’ny Tazomoka eran’ny Nosy, nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona. Tamin’ny  taona 2019 iray manontolo anefa, miisa 657 no matin’io aretina io teto Madagasikara. Ny volana mey lasa teo no tena nitombo betsaka ny isan’ireo mararin’ny Tazomoka, kanefa isan-taona dia ny volana marsa sy aprily no tena mirongatra ny aretina eto amintsika. Ny profesora Milijaona Randrianarivelo, manam-pahaizana momba ny Tazomoka no sady mpikambana ao amin’ny kabinetran’ny ministry ny fahasalamana dia nanambara fa tsy dia fahita eto Madagasikara loatra ny zava-misy, ankehitriny. Tamin’ity taona ity mantsy dia ny faritra afovoan-tany no tena nirongatra ny valan’aretina kanefa ny mifanohitra amin’izany no matetika mitranga eto amintsika hatramin’izay. Misy moa ireo milaza fa variana miady amin’ny Covid-19 ny fitondram-panjakana ka tsy miraharaha ny firongatry ny Tazomoka izay efa nahafaty olona an-jatony. Tsy mitombina velively izany satria tena manaraka akaiky ny fivoaran’ity valan’aretina ity ny fitondram-panjakana ary efa mametraka ny lamina sy ny paikady rehetra hiadiana amin’izany, hoy ny praiminisitra Ntsay Christian nandritra ny fifanetrahana mivantana tamin’ireo loholona teny amin’ny lapa maitso Anosikely, omaly. Nambaran’ny praiminisitra fa distrika 9 voakasiky ny Tazomoka no atao laharam-pamehana, ankehitriny, ireto farany izay nahitàna tsy fahampiana teo amin’ny tahirina ACT (Combinaison thérapeutique à base d’Artémisinine) izay hitsaboina ireo marary. Efa manao ny ainy tsy ho zavatra ny ministeran’ny fahasalamana sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy mba ahafahana miady amin’ny valan’aretina, ary ampy tsara ny fanafody satria amin’izao fotoana izao dia manana fatra (dose) hitsaboina ny Tazomoka miisa 9,6 tapitrisa isika eto Madagasikara, raha ny fanazavana nomen’ny praiminisitra Ntsay Christian. Marihana fa eran-tany dia maherin’ny 4 hetsy isan-taona ny olona matin’ny aretina Tazomoka ka ireo firenena mahantra sy an-dalam-pandrosoana no tena voakasika amin’izany.

F.Tsihiavonana

Lire aussi