La Gazette de la grande ile

Vakoka Malagasy : Marobe ny tantara nodisoina sy nafenina

Publié le 03 juin 2020

Ny olona izay afaka nanoratra ka nanota boky no nifehy ny tantara teto Madagasikara hatramin’izay. Raha toa ka ny vanim-potoana ny faha-mpanjaka dia ireo misionera vahiny avokoa no nanoratra ny tantara teto Madagasikara. Nosoratan’izy ireo araka ny tanjona tiany hotratrarina ny fanoratana ny tantara sy ny vakoka teto Madagasikara tamin’izany fotoana izany. Ny boky izay natonta ka naparitaka hampianarana ny zanaky ny Malagasy sy nampahafatarina izao tontolo izao. Hatrany amin’ny andron’ingahy Jacques Pronis 1642-1648 izay nodimbiasin’i Etienne de Flacourt tonga tany Fort-Dauphin na Taolagnaro nanomboka ny taona 1648.

Raha vao tonga teto Madagaskara ity frantsay ity dia ny fanoratana ny tantara no isan’ny nimasoan’izy ireo voalohany indrindra. Niala avy any amin’ny faritra atsimo ny nosy izay ka tonga hatraty ampovoantany.

Izany fikarohana nataon’i Etienne de Falacourt izany tamin’ny alalan’ny vakoka izay nifantoka tamin’ny tantara isam-poko dia hoan’ny fanjakana frantsay izay efa niomana ny hanjanaka an’i Madagasikara hatramin’ny andron’ny mpanjaka frantsay Louis-XIV 1643-1715 izay nitondra tany frantsa ny taona ka efa nieritreritra ny hanjanaka an’i Madagasikara.

Izany no antony ahitana tantara be momba an’i Madagasikara any Frantsa.

Taty aorina dia nampiasa ny kristianina ny frantsay amin’ny alalan’ny finoana ka nampiditra ny fivavahana kristianina katolika teto Madagasikara. Nanampy azy koa ny anglisy tamin’ny alalan’ireo misionera protestanta maro.

Samy nanao fikarohana maro mahakasika ny fiarahamonina sy ny tantara Malagasy izy ireo hahazoany manjanaka an’i Madagasikara. Niadian’ny Anglisy sy ny frantsay tanteraka tamin’izany andro izany ny hanjanaka an’i Madagasikara.

Taty aoriana dia nihamafy izany ka nanomboka tamin’ny andron’ny mpanjaka Radama voalohany no tena hampiroborobo ny fanoratana araka ny fomba latinina teto Madagasikara raha toa ka ny Sorabe  izay avy tamin’ny Antemoro nanomboka ny taona 1336 no nanoratana ny tantara teto Madagasikara. Ny Sorabe izay olom-bitsy sy voatokana ihany no afaka nahazo nanao izany.

Ny taona 1822 no nanomboka nahazo vahana ny fianarana sy ny fanoratana tamin’ny fomba tandrefana teto Madagasikara. Nanomboka teo ny boky no tena nahazo vahana satria niezaka mafy ny misionera roa tonta dia ny katolika sy ny protestanta. Mazava ho azy fa ny tombotsoany hatrany no navoitrany tamin’izany fa ny tena vakoka sy ny tantara tena izy dia tsy navoaka mihitsy na nosakanana sy nafenina tsy hofanta-bahoaka.

Rehefa nahita ny zava-doza maro naterakin’ny vokadratsy ateraky ny tetikin’ny vahiny ny mpanjaka Ranavalona voalohany rehefa maty ny vadiny Radama voalohany ny taona 1828, dia noroahiny ny vazaha rehetra teto Madagasikara raha tsy olona vitsy, ka isan’izany ingahy Jean Laborde ny taona 1831 izay vazaha nonina teto Madagasikara noho ny faharendrehan’ny sambony ka nampianatra ny taozavatra sy asa tanana maro. Ity vazaha ity izay nanoratra ihany koa ary nampiasa izany vakoka sy ny fomba hoan’ny tombotsoan’ny frantsay.

Raha dinganin-tsika ny tantara dia tsy azo odina tsy hita ny ezaka nataon’ny mpanao politika nanokatra ny fanontam-boky voalohany izay nitondra ny lohateny hoe “Teny soa hofanalana andro” ny taona 1886. Ralaimongo niaraka tamin’ingahy Paul Dussac dia nanao fanontam-boky iray azy manokana ihany koa mba hahazoana manely ny vaovao sy ny tantara araka ny fitakiana sy ny tolona tamin’izany.

Isan’ny zava-dehibe koa ny “tantaran’ny andriana” izay nosoratan’ny reverend Callet. Ity boky ity izay miendrika fitànana an-tsoratra ihany ny zavatra nisy teto Imerina nefa isan’ny boky izay lehibe indrindra amin’ny tantara eto Madagasikara voasoratra ihany koa ivelan’ny ao anatin’ny Sorabe any amin’ny Antemoro.

Ankoatran’ireo voalaza ireo dia namboamboarin’ny mpanoratra Malagasy izay afaka nanao ny tantara koa ny vakoka teto Madagasikara. Saika ny mpanoratra teto Imerina avokoa no namoaka boky ka ny tombotsoan’ny fanjakana Merina no tena navoatrany amin’izany. Na ny teto Imerina aza dia maro koa no tsy nolazaina raha toa ka tsy tamin’ny tombotsoan’ireo olona nanana tombotsoa harovana. Matetika dia nosafosafoana izay noheverina fa tsy ilaina na mandrebireby.

Noho izany dia tokony haverina amin’ny tena izy ny tantara tena marina isika Malagasy. Niniana nodisoana ny tantara teto ny ankamaroany ka izany no antony mampisy olana aram-piarahamonina sy fandrosoana izay lava olana politika amin’izao ary mampisy disadisa maro. Marina fa efa maromaro ihany koa ny fikarohana mahakasika ny tantara eto Madagasikara nataon’ny mpikaroka sy ny mpianatra amin’ny oniversite saingy tsy miparitaka izy ireny.

Nodisoina na notakonana ny marina tamin’ny tantara maro. Andro ny famerenana ny tantara tena izy izao ka tokony hisy ezaka lehibe hatao eto amin’ny firenena momba ny hanoratana ny tena tantara tena marina eto Madagasikara.

Jesy Rabelaolao

Lire aussi