La Gazette de la grande ile

Fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety : Tsy resy lahatra ny holafitra ?

Publié le 08 juin 2020

Fivoriambe azon’ny besinimaro natrehina no natao teny amin’ny lapan’ny Antenimierandoholona etsy Anosikely ny alarobia teo. Nandinihana ny tolo-dalàna nenti-nanitsiana ny lalàna nolanian’ny fitondrana HVM tamin’ny 2016 io fivoriambe io.

Maromaro ireo ady hevitra sy fangataham-panazavana tamin’izany. Ny tanjon’io tolo-dalàna io moa, raha tsiahivina, dia ny hanomezana antoka bebe kokoa ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, sy mba hijerena ny lalàna manome antoka ny fivelaran’ny mpanao gazety ary ny fiatrehana ny haitao avo loenta amin’izao fotoana na ny “haute téchnologie” izany eo amin’ny tontolon’ny serasera.

Nisy tamin’ireo loholona, toa an-dRakotovazaha Olivier, no niaro mafy ny tsy hanitsiana ny lalàna nolanian’ny fitondrana HVM tamin’ny 2016. “Ny tenako sy ny loholona Zo Rakotoseheno no nitarika ny asam-baomiera tamin’izany ka niezaka izahay nanao izay fomba hahatafavoaka an’io rijan-teny io tamin’izany nefa ankehitriny dia hasiam-panitsiana sahady ve?”, hoy i Olivier Rakotovazaha. Ny isan’ny tsy levon’ny vavonin’ny loholona Olivier Rakotovazaha koa dia ny tsy nahafahany naneho hevitra ankalalahana nandritra ireny fotoana nisian’ny hetsiky ny mpanao gazety teo anivon’ny “MLE” (Mouvement pour la liberté d’ Expression), ka nanatonany ny onjam-peo nanaovana ny “Miara-manonja”. Izay no mavesa-danja tao amin-dRakotovazaha Olivier fa tsy ny foto-kevitry ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahana manao gazety. Tetsy ankilan’io, maro tamin’ireo loholona ao anivon’ity Antenimierandoholona ity no nahatsiaro sy nahatsapa fa tsy tena manome antoka ny fahalalahana manao gazety iny lalàna tamin’ny 2016 iny ka nanambara ny fankatoavany ny tolo-dalana ho fanitsiana an’io lalàna io izay niadian-kevitra ny alarobia teo. Efa nanaovanay lahatsoratra teto ihany fa isan’ny niasa mafy nanampy sy nanome lanja an’ilay tolo-dalàna ny loholona Rakotomanana Honoré sy Pierrot Rajaonarivelo ary Andriambololona Mananjara.

Fa amin’ny maha- fivoriambe azon’ny besinimaro natrehina an’io fivoriana tamin’ny alarobia io moa dia maro ny mpanao gazety no liana ka tonga nanatrika an’io fivoriana io, sy ny fifanazavana fifandresen-dahatra. Nisy olom-pirenena hafa sy ny avy amin’ny firaisamonim-pirenena mpandala ny demokrasia koa tonga teny.

Maro tamin’ireo mpanao gazety tonga teny no nifanontany hoe “ary nankaiza ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety sy ny mpiara-mitantana aminy no tsy nisy nipoitra?” Marina aloha fa nisy ihany ny tsilian-tsofina re hoe “nisy mpanao gazety natonin’ny loholona  sy nangatahan’izy ireo fanampim-panazavana momba ity tolo-dalàna ity tany ambadimbadika tany, saingy tsy nanamarika ireo loholona hoe “ny ao amin’ny holafitra ve izy ireo sa ireo zokiolona ela nihetezana tamin’ity raharaha fanaovan-gazety ity sa ny fikambana’ny mpanao gazety?”

Tokony mba ho nanatrika an’io fivoriambe io ny Holafitry ny mpanao gazety, hoy ny maro tamin’ireo mpanao gazety tonga teny, na hanotrona ny sokajin’ireo nanolotra an’io tolo-dalàna io aza, dia ny ao amin’ny Ministera, mba hifampaherezana sy hilazana imason’ny rehetra fa iombonana ny foto-kevitry ny fiarovana sy fiantohana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety”.

Ny tsaroan’ny mpanao gazety sasany koa aloha dia isan’ireo niray volo tamin’ny fitondrana HVM tamin’ny fampandaniana an’io lalàna tamin’ny 2016 io ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety, ary nanambara ampahibemaso fa mankasitraka an’io lalàna io satria miantoka ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izy io (???). Asa, menatra ny teny natao tamin’izany ve ka na ny fanehoana firaisan-kina ho fiaraha-mifankahery amin’ny fandresena lahatra an’ireo loholona aza, tsy natao?

D.R.

Lire aussi