La Gazette de la grande ile

Fanadihadiana : Fady miresaka foko sy firazanana ve?

Publié le 15 juin 2020

18 no isan’ny foko eto Madagasikara raha ny tantara nomena ny zanaky ny Malagasy tany ampianarana hatramin’ny andron’ny fanjanahantany. Tsy ho tanisaina eto izany satria maro be ny olana izay aterak’izany amin’ireo izay tsy nahazo fahafaham-po amin’ny famaritana io. Isan’izany ny foko Zafisoro ao Farafangana izay natambatra amin’ny Antesafy , nefa tena foko iray mahaleo tena tanteraka na ny toerana misy azy na ny tantarany. Toa izany koa ny Tanalagna ao Toliara. Sady tsy Vezo izy ireo no Masikoro ary tsy sakalava koa. Mbola isany tsy noheverina ho foko mihitsy ny Mikea dia ireo olona mivelona amin’ny ala manodidina an’i Toliara iny amin’ny fomba tranainy indrindra.

 Tsy voalaza amin’ny foko eto Madagasikara koa ny antsoina hoe Anjoaty any Vohemar nefa ireo no foko voalohany nanana rafitra sosialy teto Madagasikara tamin’ny tanjato faha sivy sy fahafolo. Manana ny tantarany manokana sy ny fombany manokana koa izy ireo. Ny Anjoaty izay foko nihavian’i Habiby na  Rabiby izay nanjaka teo Ambohitrabiby eto Antananarivo tamin’ny taona 1575. Izany no nahatonga ny fitenenana hoe “aza mahita volana alohan’i biby”. Habib no izy fa tsy biby araka ny fiantso azy io. Maro no foko izay tokony hampidirina ho foko ara-dalàna eto Madagasikara nefa tsy nataon’ny frantsay izany nohon’ny tombotsoany manokana. Io ilay nolazana hoe “zarazarao hanjakana” , dia izay nisy ny tombotsoan’ny mpanjanatany ihany no nampidiriny ho foko eto Madagasikara. Isan’ny iray tsy tenenina mihitsy ny foko Antalaotra any Saolala any Mahajanga. Toa izany koa ny Vazimba izay nifindra monina amin’ny faritry ny Sakalava manodidina an’i Melaky iny. Hatrany amin’ny Tsingy ka hatrany  Bemaraha no misy azy ireo. Tsy misy resaka satria variana amin’ny adilahy politika ny Malagasy ary ireo izay foko eo akaikiny ka efa naman’ireo voalaza fa isan’ny foko 18 aram-panjakana ireo dia manjanaka ankolaka ireo foko ireo indray aza.   Raha ny tena foko misy eto Madagasikara no resahina dia mihoatran’ny 30 izy ireo, nefa dia izay aloha no navoakan’ny frantsay mpanjanatany dia nipetraka sy nipirina avokoa ny rehetra.  Tsy nisy fijerena intsony izany taty aoriana rehefa nahazo fahaleovantena ny Malagasy.

Olana lehibe amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany iny ny mahakasika ny fahazoana Faritra. Ny Antemoro sy ny Antambahoaka, izay samy milaza fa manana ny maha izy azy manokana no fototry ny olana. Mangataka ho Faritra Manokana i Vatovavy fa tsy hitambatra amin’i Fito Vinany. Tena marina izany satria foko roa tsy tokony hitambatra satria samy manana ny fombany sy ny fihaviany ary ny tantarany. Foko samy manana ny Hasiny koa ka nampiarahan’ingahy Ravalomanana Marc amin’ny itiavany azy fotsiny. Dia izao mitarika olana amin’ingahy Andry Rajoelina izao ny raharaha.

Ny zava-misy eto Madagasikara dia arangaranga ny fihaviana rehefa hitady toerana politika. Mijoro avokoa izao fikambanana milaza ny foko niahaviany izao. Teo aloha teo aza dia ny filazana fa anjaranay aty amin’ny faritra atsimon’ny nosy indray no tokony ho filoham-pirenena. Ny faritanin’ny Fianarantsoa sy Toliara no tena miady izany. Ny Betsileo sy ny Sakalava ary ny Sud-est no tena niady izany. Nisy mihitsy ny fikambanana hoe “triangle dy sud” ary mbola misy hatramin’izao izany fotom-pisaina izany. Tena marina ny eritreritr’izy ireo saingy ny fepetra hahatongavany amin’izany no olana amin’ny foko matoa  ao amin’ny faritanin’ny Fianarantsoa sy Toliara io.  Nisy toa izany koa tany amin’ny faritra Mahajanga sy Antsiranana iny ary Toamasina. Ny teto Antananarivo koa dia nanambara ny heviny ny Ambaniandro sy ny Hova. Fa anjaran’izy ireo no mitondra fanjakana mandritry ny 50 taona indray hono. Resaka mandeha any amin’ny tontolo politika daholo izany.

Mbola resaka hafa koa ny adin’ny  Jakimena, ny Zanakandriana sy ny Andriamasinavalona sy ny Hovalahy taraky ny Tsimahafotsy sy ny Tsimiamboholahy ary ny andevo izay atao hoe “Baomanga” na koa ireo Ambanintanana eto Analamanga?

Ireo rehetra ireo dia mandrangaranga ny foko misy azy avokoa rehefa tonga ny fiadian-toerana ho filoham-pirenena sy ho mpikambana ao amin’ny governemanta, na koa ho mpiandraikitra amin’ny sehatra politika isa tsokajiny. Ohatra amin’izany ny filoham-pirenena, raha Ambaniandro na Merina sy Hova avy eto Antananarivo no lany filoham-pirenena dia milaza avy hatrany ny tanindrana sy ny Betsileo fa ny Praiminisitra dia avy amin’izy ireo. Dia toa izany koa no angatahin’ny ambaniandro raha ny filoham-pirenena Tanindrana dia ny Praiminisitra avy eto Imerina.

Ady be ny raharaha raha tsy mandeha amin’izany ny zavatra misy eto satria dia tonga hatrany amin’ny resaka adim-poko ny raharaha.

 Resaka be amin’izao fotoana izao ny mahakasika ny fanorenana ny “lapa Masoandro” eny amin’ny Rova Manjakamiadana. Hitory ny fitondrana Andry Nirina Rajoelina ny taranaka Andriana eto Antananarivo satria hono nanitsakitsaka ny hasin’izy ireo sy ny hasin’ny rova. Any amin’ny faritra anindrantany dia tsy azo ialana ny rafitra Ampanjakana. Ao amin’ny Antambahoaka ao Mananjary, Ivato Fenovola sy ny fanjakana Antemoro. Ny fanjakan Antefasy ao Farafangana ary ny Zafisoro, ny Fanjakan ampanjaka telotroka  ao Vangaindrano. Toa izany koa ny fanjakana ampanjaka any Menabe sy Boina ary Ambilobe;

Manana ny hasiny lehibe amin’ny fiarahamonina Malagasy ny toerana ary mitazona ny fomba sy fady izay ipetrahan’ny Soatoavina Malagasy izy ireo. Misy ampanjaka miisa 500 mahery eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, ka ny ao Vohipeno sy Manakara  manokana dia mahatratra hatrany amin’ny 359. Ireo no mitazona ny Hasin’ny fanjakana Malagasy aran-tantara sy araka ny vakoka ka mampiavaka azy amin’ny firenena manerantany.     Hoy ny depiote Rossy raha miresaka ny tenany sy ny faritra iva misy azy hoe “Izahay Baomanga” dia tsy azo tsinotsinoavina mihitsy amin’ny raharaha politika eto Madagasikara satria hery iray izay tsy azo ny fanjakana hamaivanina mihitsy. Ingahy Frank Tsihavonana izay mpanao gazety ato amin’i La Gazette de la Grande Ile aza raha nanontaniana ny fihaviany avy any Fianarantsoa ,  avy any Ambalavao Tsienimparihy , raha ny fitantaran’ny rainy Maurice Tsihavonana taminay ny fihavian’izy ireo alohan’ny nahatongavany teto Antananarivo dia namaly tsotra izao ity mpanao gazety ato amin’i La Gazette ity fa “Baomanga” izy fa tsy te hahalala izany Fianarantsoa izany aho.  Ny mpanao Rugby eto Antananarivo dia ireharehany ny maha baomanga azy. Matetika izy ireo rehefa miresaka momba ny hova dia miteny hoe “fetsifetsy toa ny petatsanga na ny hovalahy hoy izy ireo”. Iza koa moa no tsy miteny hoe “aza miteny fa Andrian-dreraka”. Ilazana ny andriana izay mirehareha amin’ny maha andriana azy nefa mahantra be sy reraka ara-pivelomana. Santionany amin’ny zavatra misy eto Madagasikara ireo. Iainana amin’ny andavanandro ary mbola ifanajana sy ny ifampitsikerana ary ifandatsana koa. Rehefa tsy mahazo toerana ny foko iray eto Madagasikara dia mandrangaranga adim-poko sy firazanana. Tenenina avokoa izao foko niahaviana sy razana nipoirana izao. Raha toa ka amin’izany fotoana izany no diso fanantenana ny olona mangataka sy ny fikambanana dia ny foko nihaviany no milaza fa adim-poko ity raharaha ity. Izahay Betsileo, izay Sakalava, izahay   Betsimisaraka,  izahay atandroy sy ny sisa …Sao dia tokony hiverina ho dinihana ity resaka momban’ny firazanana sy ny fihaviana sy ny foko ity satria io ihany no arangaranga eto Madagasikara rehefa  malemy sy tsy manana hery intsony. Be dia be ireo olona mangataka toerana amin’ny alalan’ny fikambanana avy amin’ny faritra no mampiditra olona tsy sahaza ny toerany tokony ho azy nohon’ny tsy fahaizany afa atao amboletra nohon’ny politika. Manimba ny firenena izy ireny ary amin’ny alalan’ny foko sy ny firazanany no nampidirana azy amin’ny toerany. Noho izany dia tsy maintsy lazaina ny fihaviany sy ny foko ary ny razany raha toa ka tamin’ny alalan’izany no niadiany ny toerany ka tsy nahavoatazona izany toerany izany izy satria izany no nentiny nakana izany.

Jesy Rabelaolao

Lire aussi