La Gazette de la grande ile

Analakely sy ny manodidina : Manomboka ny mifanitsa-kitro ny olona

Publié le 17 juin 2020

Raha ny eto Antananarivo no jerena dia tsy hita intsony izay tena maha samihafa ny fiainan’ny mponina raha ampitahaina amin’ny fiainana talohan’ny nidiran’ny Coronavirus teto amintsika. Ny mampiavaka azy fotsiny angamba dia ny fanaovan’ny olom-pirenena saron-tava ary ny fisian’ny fepetra tsy ahafahana mivezivezy na ny “couvre feu”, manomboka amin’ny 10 ora alina ka hatramin’ny 4 ora maraina. Ny eny Analakely sy ny faritra rehetra manodidina azy no tena ahitàna taratra fa efa miverina amin’ny laoniny ny fiainana satria manomboka mifanitsa-kitro ny olona. Efa miverina daholo ny mpivarotra eny amin’ny sisin-dàlana isan-karazany izay misarika mpiantsena mazava ho azy. Tsy ao Analakely ihany fa na eny Ambohijatovo, Soarano, Behoririka sy Tsaralalàna dia hita ho mifanitsa-kitro sahady ny olona. Ireo fepetra tokony arahina na ny “gestes barrières” ho fisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina dia tsy misy miraharaha intsony. Amin’ny lafiny iray, lôjika ihany ny zava-misy satria tao anatin’ny roa volana mahery no niaina tao anatin’ny fihibohana ny mponina teto andrenivohitra. Izany rehetra izany no midika fa mila mailo hatrany ny olom-pirenena tsirairay satria hampianaka bebe kokoa ny valan’aretina Coronavirus izao fahamaroan’ny mpiantsena eny Analakely sy ny manodidina izao. Tsiahivina ihany fa aorianan’i Toamasina dia Antananarivo no misy trangana Covid-19 betsaka indrindra eto Madagasikara, ary inoana fa mbola maro ny olona mitondra ny tsimonkaretina no mandehandeha eny amin’ny fiarahamonina rehetra eny.

F.Tsihiavonana

 

 

Lire aussi