La Gazette de la grande ile

Ambatondrazaka : Mpiasan’ny Faritra tratran’ny Covid 19

Publié le 01 juillet 2020

Mpiasa ambony ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro no tratran’ny covid 19 ka mihiboka avokoa ny mpiasa rehetra ao amin’ny Faritra sy ny distrika Ambatondrazaka nanomboka androany hariva. Nanomboka omaly tolakandro dia nahiboka mandritry ny 14 andro ny mpiasan’ny faritra sy ny distrika mba hisorohona ny mety ho fiparitahina valanaretina. Nambaran’ny talem-paritry fahasalamana Alaotra Mangoro fa tokony ho ny rehetra mihitsy no mailo satria efa mby an-koditra ity aretina mandoza ity ankehitriny.

Nandritry ny tafa fohy nifanaovan’ny tomponandraikitra ao amin’ny fahasalamana ity dia hita fa somary efa leon’ny fanentanana ihany izy satria tsy misy mihaino ka mihaihay be amin’ny mety hampimparitaka ny valanaretina. Napetrany eo amin’ny fahendren’ny tsirairay araka izany ny tokony hiarovan-tena

Lalao.R

Lire aussi