La Gazette de la grande ile

Fitiliana ho an’ny daholobe : Misokatra anio ny ivon-toerana etsy amin’ny Village Voara

Publié le 01 juillet 2020

Mazava ny tenin’ny praiminisitra tamin’ny alahady teo fa mbola tsy resy mihitsy aloha hatreto ny Coronavirus ary mbola ao anatin’ny ady tanteraka isika eto Madagasikara, ankehitriny. Ho fanohizana izay ady amin’ny valan’aretina izay dia nametraka tetikady vaovao ny fitondram-panjakana, nanomboka tamin’ity herinandro ity ka anisany lehibe amin’izany ny fametrahana ilay ivon-toerana manokana etsy amin’ny Village Voara Andohatapenaka. Ivon-toerana izay natao handraisana ny olom-pirenena rehetra misy na tsy misy soritr’aretina ka manana ahiahy amin’ny mety ho fitondrana ny tsimokaretina Covid-19. Azon’ny olona rehetra atao ny manantona an’io ivon-toerana eny Andohatapenaka io izay natao hakàna hevitra sy fanaovana fitiliana. Ny tena mampiavaka ny ivon-toerana dia ny fivoahan’ny valim-pitiliana haingana, tsy mihaotran’ny 48 ora raha ny fanazavana azo. Raha toa moa ka voamarina fa mitondra ny tsimokaretina ny olona iray nanao fitiliana dia azony hatao ny mijanona manaraka fitsaboana ao amin’io ivon-toerana manokana io. Araka ny fanazavana nomen’ny praiminisitra ihany koa anefa dia tompon’ny safidy ireo mitondra ny tsimokaretina ka azony hatao ny manaraka fitsaboana any an-tranony. Mazava ho azy fa misy ny lamina sy fanaharamaso hentitra hapetraka raha misafidy ny hijanona ao an-tranony ilay marary. Maro moa no tsy mankasitraka izay paikady vaovao izay satria sarotra ny inoana fa tena hanaja ireo fepetra amin’ny antsakany sy andavany ireo marary manaraka fitsaboana ao an-trano ireo. Marihana ihany fa tsy misy fandoavam-bola ny fanaovana fitiliana na fakàna hevitra ao amin’ity ivon-toerana vaovao eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka ity fa maimaimpoana tanteraka. Averina hatrany fa raha tiana ny handresena ny Covid-19 dia tsy azo idovirana mihitsy ny fanaovana fitiliana maro araka izay tratra. Izany no paikady nentin’ireo firenena maro izay efa nandresy na nahavoafehy ny valan’aretina. Raha ny tarehimarika farany nivoaka, omaly, miisa 76 ny tranga vaovao vaomarina ka ny 75 amin’izany no hita teto Antananarivo avokoa. Hatramin’ny omaly dia mahatratra 2214 ny isan’ireo olona efa nitondra na mbola mitondra ny tsimokaretina Coronavirus eto Madagasikara, ny maty kosa mijanona ho 20.

F.Tsihiavonana

Lire aussi