La Gazette de la grande ile

KOLO ANAKA : FAHIRATAN-TSAINA – FIERITRERETANA – FIHETSEHAMPO (Fizarana 5)

Publié le 01 juillet 2020

  1. Dr Raharison, misy fotoana na misy taona ve ny fananana « fahatsapana manokana » (hypersensibilité) eo amin’ny olona iray ?

Ny fahatsapana manokana eo amin’ny olona iray dia mety manomboka mitranga na miseho amin’ny fotoana rehetra mandritra ny androm-piainana. Manomboka amin’ny zaza ao an-kibon-dreniny ka hatramin’ny ny olon-dehibe efa nahazo taona. Fa ny fisehoany no mety ho mihamafy raha misy zava-manjo vokatry ny adim-piainana na vokatry ny toe-javatra manokana mitranga.

13.Inona no mahatonga ny zaza menavava mety manana « fahatsapana manokana »?

Tokony ho fantantsika fa eo amin’ny faha-enim-bolan’ny zaza ao am-bohoka no manomboka sahady ny fifikirany amin’ny reniny. Io ilay nataon’Atoa Bolby hatrmin’ny taona 1969 hoe « Attachement ». Amin’io vanim-potoana io ny zazarano no manomboka mahatsapa sy mandre ny tontolo manodidina azy ary manomboka tsikelikely ny firaiketampo amin-dreniny.

Misy ambaratongany ny fivoaran’ny ati-doha sy ny « taova fahatsapana » (organe des sens) eo amin’ny zaza raha mbola ao an-kibo izy. Ka raha amin’io vanim-potoana io ohatra, no misy dona ara-tsaina mitranga amin’ilay reny, na misy koa fifandonana mafy na disadisa miverimberina eo amin’ny mpivady na koa amin’ny reny mitondra vohoka sy ny manodidina azy, dia mety amin’ilay zaza ao am-bohoka ihany koa no miantefa mivantana ny voka-dratsy. Tsy azo adino koa fa mety misy fiantraikany amin’ilay zaza rehefa teraka izy ka na ara-batana na ara-tsaina na ara-toetra. .

14.Ary ahoana ny « fahatsapana manokana » eo amin’ny zaza ?

Samy andairan’ny fihetseham-po daholo ny ankizy kely rehetra. Eny tokoa satria mandritra ny fotoam-pahazazana dia ny ati-doha mibaiko ny fihetseham-po no tena miasa noho ny ati-doha misahana ny fandinihina. Io faharoa tokoa dia mbola tsy ampy famatorana amin’io fotoana io. Izany no antony mahatonga ny zaza ho mora taitra, mora tohina sy mora mitomany. Fa rehefa tonga amin’ny faha-7 taonany izy dia efa somary matomatotra kokoa ary eo dia mety efa hita sahady ny ampahan’izay ho toetrany. Ary ao anatin’izany ny mety hahatonga azy ho be fihetsempo rahatrizay miha-lehibe.

15.Aty amin’ny fahalehibeazana ve vao mety hita ny fihetsempo diso tafahoatra eo amin’ny olona iray ?

Tsaroako nisy lehilahy 45 taona, mpitantana orinasa izay tena voadona mafy tokoa tamin’ny nahafatesan’ny rainy ary taty aorina izy io dia lasa narefo ara-tsaina sady nitady fitokana-monina matetika. Hatreo dia lasa nampihetsi-po azy mafy dia mafy ka nanimba tanteraka ny sainy ny mahita ny fahoriana sy ny fahavoazana zakain’ny olon-kafa.

Nisy koa vehivavy 35 taona, nianjadian’ny olana ara-pitiavana, lasa nanao fanatanjahantena diso tafahoatra ary niafara tamin ‘ny takaitra ara-batana. Rehefa nozohina ny antony dia tsapa fa hanafenana ny tsy fahatokisan-tena sy ny mamparefo ny maha-izy azy no tena nahatonga izany (estime de soi).

Nisy koa lehilahy nitana toerana ambony amin’ny banky very asa nandritra ny 1 taona. Ny fahitana ireo olona tsy manan-kialofana tamin’ny haino aman-jery aza dia naha-latsa-dranomaso azy. Nitaintaina mandrakariva izy fa ho azon’aretina hono ny vadiny. Natahotra foana fa ho lasa jiolahy ny zanany lahy ary niferotr’aina fa ho alain’ny banky ny tranony.

Karazam-pihetseham-po telo diso tafahoatra miseho amin’ny fotoana efa elabe aty aoriana ireo notantaraina ireo. Ny roa voalohany dia samy nianjadian’ny sakana (notion d’interdiction) teo aloha. Ny voalohany dia tsy navelan’ny rainy nitomany mihitsy izy satria hono « ny lehilahy tsy mahazo mandatsa-dranomaso ».Ny faharoa kosa dia tovovavy narefo, nanana anadahy dimy, samy mpanao fanatanjahan-tena avo lenta izy rehetra afa-tsy izy vehivavy izay nilazana hatrany amboalohany fa tsy natao ho an’ny zazavavy ny fanatanjahan-tena. Ilay fahatelo kosa dia novoizina iasan’andro tao an-tsainy fa ny zavatra tonga lafatra sy voalanjalanja ihany no hilofosana andro aman’alina amin’ny fiainana. Ka rehefa tratan’ny fahavoazana vokatry ny fahaverezan’asa izy dia tapi-dalan-kaleha.

Nangonin’i Tatiana (hitohy)

Lire aussi