La Gazette de la grande ile

Lalampirenena faharoa : Safononoky ny kolikoly ireo zandary eny andalambe

Publié le 03 août 2020

Isan’ny fepetra mihatra ankehitriny amin’izao fihibohana nateraky nty hamehana ara-pahasalamana izao ny tsy fahafahana miditra sy mivoaka ny faritr’Analamanga. Ho an’iny lalampirenena faharoa iny izany dia mitsahatra amin’iny faritr’Ambatolaona sy Maharizevo iny ny fivoahana na fidirana ny faritra. Voambaran’ny fepetra fa ny fiara mitatitra entana ihany no afaka mifamoivoy, miditra sy mivoaka ny faritra. Dia indro fa lasa sehatra iasan’ny mpitsikombakomba maloto ny fiara fitaterana entana “fourgon”, ka milaza ho mitatitra entana izy ireny nefa olona no entiny. Marina ary ekena fa manao ny asany amin’ny fanarahamaso sy fisavana ireny fiara mitonona ho mitatitra entana ireny ny mpitandro ny filaminana eny andalambe, saingy mampiteny ny moana ny mitranga ao Ambatolaona , amin’iny lalampirenena faharoa iny. Tsy mandrara ny fiara fitaterana entana miditra sy mivoaka ny faritr’Analamanga ireo zandary ao Ambatolaona fa mamela azy ireny malalaka nefa olona no entina. Ny antony dia satria voatampin’ny vola “kolikoly” ny mason’ny mpitandro ny filaminana. Marobe ireo fiara “fourgon” no manao izany ary volabe isanandro no azon’ireo mpitandro ny filaminana, hoy ny akom-baovao. Zava-doza ho an’ny vahoaka izany satria irika iray mampiroborobo ny fielezana sy fiparitahan’ny aretina “coronavirus”. Tokony tsy hadinoina fa isan’ny nanaparitaka an’io aretina io na tany Toamasina na taty Analamanga ny mpiasan’ny tetik’asan’Ambatovy tamin’ireny volana aprily ireny. Efa nisy ihany ny haino aman-jery namaky ambatolampy an’izao fanao mamoehitra izao ary re fa efa nandefa manamboninahitra ambony nidina tany an-toerana ny fanjakana foibe, saingy tsy hita ny akony na ny fihatsaran’ny raharaha satria ny omaly tsy miova ihany. Re fa ireo manamboninahitra ambony ao amin’ny zandary izay nirahin’ny fitondrana foibe tany an-toerana dia nanao fanadihadiana tokoa, saingy asa na tratry ny “fifampiarovana amin’ny maha-samy namana” na “jamban’ny zava-pisotro lafo vidy” fa tsy nahitana fepetra ny akon’ny dian’izy ireo. Nifandom-bera niaraka tamin’ireo tany an-toerana tamin’ny alalan’ny zava-pisotro lafo vidy mantsy ireto ira-panjakana ambony taorian’ny fanadihadian’izy ireo tany, nefa etsy ankilany, nitohy sy mbola  mahatsiaro tena ho safononoky ny kolikoly ireo mpitandro ny filaminana napetraka handrindra ny fifamoivoizana sy hanara-maso ny fampanajana ny fepetra nofaritan’ny fanjakana. Ara-bakinteny mihitsy ny hoe “ny nantenain-kanirina indray no mampivandravandra” amin’izao raharaha izao.

Iza ihany izany no azo antoka eto e?

Tsimba

Lire aussi