La Gazette de la grande ile

Trangana Covid-19 aty Afrika : Eo amin’ny laharana faha-11 no misy an’i Madagasikara

Publié le 03 août 2020

Efa hananika ny 1 tapitrisa ny isan’ireo olona voamarina fa mitondra na efa nitondra ny tsimonkaretina Coronavirus aty amin’ny kaontinanta afrikanina. Raha ampitahaina amin’i Eoropa, Azia sy Amerika dia mbola azo lazaina ho kely io tarehimarika io satria raha ny ao Brezil fotsiny ohatra, firenena faha-2 ahitàna tranga betsaka indrindra eran-tany, dia efa maherin’ny 2 tapitrisa ny isan’ny olona voan’ny Coronavirus. Mazava ho azy fa antony iray mahatonga ny tarehimarika somary mbola ambany aty Afrika dia ny fahavitsian’ny fitiliana vita, indrindra fa ny isan’ny fitiliana atao isan’andro. Raha an’alina na an’hetsiny mantsy no fitiliana vita ao anatin’ny 24 ora any amin’ireo firenena mandroso izay tena voamafy amin’ity valan’aretina ity, tsy tahaka izany kosa ny zava-misy amin’ny firenena afrikanina satria dia firenena 2 na 3 ihany no mahavita fitiliana an’arivony maromaro isan’andro noho ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny enti-manana. Raha ny atontan’isa ofisialy amin’ireo firenena afrikanina tsirairay indray no jerena dia azo ambara ho ratsy toerana i Madagasikara. Amin’ireo firenena afrikanina maherin’ny 50 mantsy dia eo amin’ny laharana faha-11 no misy an’i Madagasikara, ankehitriny, raha ny isan’ireo olona mitondra sy efa nitondra ny tsimonkaretina izay tafakatra 11270. Mazava ho azy fa i Afrika Atsimo no mbola mitàna ny laharana voalohany ao anatin’ny filaharana, misy tranga 503000. Tsara marihana fa ny roa am-patelon’ireo olona mitondra ny tsimonkaretina aty Afrika dia ao Afrika Atsimo, Egypta ary Nigeria avokoa. I Soudan izay mitàna ny laharana faha-10 no mifanatsahana amin’i Madagasikara satria hatramin’ny omaly dia miisa 11730 ny olona voan’ny Covid-19 any Soudan. Betsaka kosa ny azy ny olona maty raha ampitahaina amin’ny eto amintsika, tafakatra 752. Tsara ny manamarika fa saika ireo firenena manan-karena indindra aty Afrika daholo no lohalaharana eo amin’izay antontan’isa izay, ao anatin’izany i Afrika Atsimo araka ny efa nambara tery ambony, fa eo ihany koa i Egypta, Nigeria, Algerie, Maroka, Kenya ary Ethiopia. Izany no mbola manaporofo fa tsy ny tanjaka ara-toekarena no afahana mifehy haingana ity areti-mandrindrana ity. Tsara tsipihana ihany fa ny atontan’isa ofisialy avoakan’ny firenena tsirairay no mahatonga an’i Madagasikara ho eo amin’ny laharana faha-11. Ny tiana ambara dia mety ho hafa kokoa ny filaharana raha toa mitovy avokoa ny isan’ny fitiliana vita isaky ny firenena. Misy mantsy no zara raha mahavita fitiliana an-jatony isan’andro ka tsy mahagaga raha vitsy ny tranga voamarina ao aminy. Ny talem-paritry ny OMS aty Afrika, ny Dr Matshidiso Moeti dia mbola nanamafy tamin’ny herinandro lasa teo fa mila mitandrina ny firenena afrikanina rehetra izay miroso amin’ny fanalefahana ireo fepetra ara-pahasalamana hampirongatra ny valan’aretina izany.

F.Tsihiavonana

 

Lire aussi