La Gazette de la grande ile

Mamono ny Malagasy ity Covid-19 ity : Asakasakin’ny mpitondra sy ny mpitantana

Publié le 04 août 2020

Tsy vitan’izay hoe mamono ny Malagasy ara-batana ito Covid-19 ito, hatramin’ny madinika indrindra ka mipaka hatramin’ireo vato nasondrotry ny tany, ireo notsongoim-bolo teo amin’ny ivon’ny fiarahamonina, ireo mpitsabo, mpampahalala vaovao, mpanakanto, sojabe, rehareha eo amin’ny sehatry ny fiharian-karena sy ny tontolon’ny mpandrahararaha, ny manan-katao, ny ray aman-dreny am-panahy, ny sangany amin’ny tafika, ny olomboafidy… fa mampivarahontsana ny maha-MALAGASY mihitsy. Voalohany amin’izany ny FIHAVANANA.

Firifiry ny hirifirin’ny madinika ao anatin’ny hatsiaka sy ny fahoriana, zary toa sokina nanani-bato, nefa na ny vato ho hinihina aza tsy misy satria tsy manan-katao. Tonga ny aretina. Mihazakazaka mamonjy toera-pitsaboana : tsy avotra intsony. Mihazakaza mamonjy toeram-pandevenana : tsy tratra intsony, noho ny fepetra fihibohana. Tsy mandevina havana an-Tanindrazana na afovoantany na amorontsiraka izay samy Madagasikara niaviana. Ary aoka tsy ho adino : ireo havana ampitandranomasina voadroa, sady malahelo no manina nefa tsy afaka manaotra. Dia ahoana ?

Firifiry ny hirifirin’ny madinika miavotr’aina no voatery miantehatra amin’ny herin’ny tena, izany hoe izay kely ananana ? Ary satria tsy matin’ny covid ivelan’ny Nosy izay mety nahazo tsiaro satria anie mba  mendrika sy nilaina teo amin’ny fiainana ihany fa lavo tsy satry antany nanjary feno fanahiana ka lasa zary toa boka voatery miafina sy mangingina ialana amin’ny henjika sy ny ankilabao.

Nefa manampy trotraka an’izany, iaraha-mahalala toy ny tafika andrefan-tanana, fa ny vahoaka maro an’isa tsy mandady haron’ny taona 2020 dia velona mitsipozipozy satria zara raha voatanisa anatin’ny antontan’isa, zara raha voasokajy hoe marefo nefa ny aina ambivitra, zara raha misy mitodika amin’ny tena, nefa dia mitrotro ny volam-pitsaboana, mibaby ny vidim-pandevenana, sy miantsoroka ireo kolikolim-piarahamonina tsy maintsy atao mba tsy hitsangana-menatra. Inona no antony ? Satria ve moa ny vanim-potoana ankehitriny dia an’ireo « samy mandeha ny mandeha », na koa an’ireo « samy mandeha samy mitady », zoky teo aloha ?… Dia ahoana ?

Ary raha indro aza ka tonga tokoa ny voina izay natao sanatria, satria dia misy ny havana, olontiana, olona akaiky, maty…. Misy ny fisarahana ka vahotra ny lela, mangidy ny vava fa tsy ny vava fotsiny izay zara raha misy arapaka, fa manjary mangidy ny fiainana sy ny Finoana manontolo. Ary rehefa indro manjombona  ny tontolo dia rariny sy hitsiny raha mipetraka ny fanontaniana hoe dia izao ve no mendrika ? Izao ve no sadify ? Izao ve no anjara ? … Dia ahoana ?

Dia eo indrindra, amin’izao fotoana izao sy izao toerana izao no ilana RAY AMAN-DRENY: Fanjakana sy Mpitondra miahy.

Kanefa anie ireto mitondra toa variana mifampidera vangy sy mifampihantsy ? Kanefa anie ireto tompon’andraikitra faratampony toa manao baiko midina sy didiko fe-lehibe ? Toa mihevitra ho toy ny Mpanjaka ka tsy misy an-teny miera ; miavona toa Tandapa ka manadino fa tsy voafidy fa voatendry ; miziririzy toy no hoe Tompony nefa nampindramina fahefana amin’ny fotoana efa voafetra ?. Ny Malagasy dia tsy hoe anjely latsaka an-tany akory ka tsy misy tsiny, tsy misy tomika. Maro mihitsy aza no tia tena, tia vola, tia tombotsoa ary samy maka ho azy. INDRISY KANEFA IZAY. Fa raha sanatria kosa efa mihatra aman’aina, efa misy aina afoy, dia mifamangy, mifanohana, mifampahery, miara-miory satria averina ny maha toy ny « miankandrefam-baravarana ny rehetra ary ny varavarana no samy manana ny azy fa ny fahoriana dia iaraha-miory ». Izany no atao hoe FIHAVANANA. Anjaram-potoan’ny Fihavanana ny sendra fahoriana sedraina satria, hono, ny Malagasy tsy miady amam-paty ? Resaka hafa mila fandalinana iny ka atao amin’ny fotoana manaraka.

Fa na izany na tsy izany, ny tiana atongavana eto dia tsotra sady marina : aiza ny FIHAVANANA eo amin’ny MPITONDRA sy ny VAHOAKA ? Misy ve sa tsy misy ? Efa ambohitra ny aretina, efa antanàna ny faty, dia AHOANA ?

Ny rehetra very fanahy mbola velona, kanefa anie dia toa teny an’avona sy doika zary solelaka no heno sy mba azo ho setry.

Mila fitsaboana, fitaovana, vola, fanaraha-maso, teny marina sy mahitsy, sakafo sy vatsy, vaovao am-PAHATOKISANA avy amin’ny ray aman-dreny ny VAHOAKA.

Raha tsy mamaly ireo haingana dia haingana ny mpitondra ankehitriny dia midika fa nampitsimbadika ny laharampahamehan’izay voarakitrin’ny ohabolan’ny Ntaolo hoe : « Aleo very tsikalakalam-BOLA toy izay very tsikalakalam-PIHAVANANA » izy ireo. Ka ho azy ireo dia lasa VOLA ny manjary ho lehibe indrindra. Mamono ny maha-Malagasy ity Covid-19 ity ary ny Mpitondra sy ny Mpitantana no tompon’andraikitra sy tompon’adidy voalohany amin’izany. Ny FIHAVANANA, satria trano atsimo, avaratra, andrefana, atsinanana, afovoany isika, no mila omena HASINA TSY MANAMPETRA eo amin’ny fitantanana ny FIRENENA iombonana. Asakasaky ny mpitondra Fanjakana nampindramina an’io singan’Hasina voafetra eo ampelantan-drizareo io. Andraikin-drizareo ny miatrika ny adidy ka mampiakatra na tsia ny MAHAOLONA. Mila mifampizara ny MARINA ampanatretena isika toy ny hoe mifampiresaka eo anivon’ny FIANAKAVIANA IRAY TSY MIVAKY rehefa sendra fahoriana, voina sy loza isika. FOTOANAN’IZANY IZAO. Izay Mpitondra tsy mahatakatra izany dia aleo SOLOINA ! Ny Fihavanana no fiandohana sy fiafarantsika MALAGASY. Io no alpha sy omega nomena antsika. Sahia isika misaina, miteny, mijoro, Tompoko, satria Malagasy fahendrena. Andriamanitra no tompon’ny Aina fa tsy izy no maka an’io anefa sompatra na tandrametak’olombelona ilay raha.

Philippe Rajaona

Lire aussi