La Gazette de la grande ile

Fanampiana ireo mpandraharaha : Jereo amin’ny maso tsy miangatra

Publié le 07 août 2020

Ady hevitra hatrany amboalohan’ny fampiharana ny fihibohana noho ny aretina coronavirus ity tontolon’ny fanampian’ny fanjakana ny vahoaka ity. Ny vahoaka ambara moa eto dia eo ny olom-pirenena tsotra fa misisika ho isan’ny vahoaka hisitraka ny fanampian’ny fanjakana koa ireo mpandraharaha isan-tokony.

Ny fanampiana ho an’ny olom-pirenena tsotra aloha dia efa niteraka ady hevitra, ary manomboka miseho indray izany ankehitriny satria notohizana indray ny “vatsy tsinjo” sy ny “tosika fameno” amin’ny anarana vaovao hoe “sosialim-bahoaka”.

Niteraka ady hevitra izy io satria ireo any amin’ny sehatra voasokajy ho “manara-penitra”, izany hoe mandoa hetra amin’ny fanjakana dia velon-taraina fary zareo no tokony ho laharam-pahamehana hisitraka an’ireny fanampian’ny fanjakana ireny satria tsy misy vola miditra ao amin’ny kitapom-panjakana raha tsy ny vola avy amin’ny hetra naloan’izy ireny.

Etsy ankilany, ny fitondram-panjakana dia manipika fa “jerena amin’ny maha-marefo azy ilay olom-pirenena na ankohonana omena ireny fanampiana ireny”.

Na ireo olona sokajiana ho marefo koa aza dia mbola ady hevitra be miteraka fimenomenonana satria hoe “ny olona manana trano mihofa sy fiarabe fitaterana entana (camionneur) indray no mahazo fa ny fadiranovana, mpitrongy vao homana dia maro no adino”. Dia nanazava moa ny avy amin’ny fitondram-panjakana, tamin’ny alalan’ny tale jeneralin’ny ministeran’ny mponina fa “nisy tokoa ny sokajin’olona nisitraka ny tosika fameno (100.000 ariary) tamin’ilay dingana teo aloha nefa toa olona azo ambara ho manana ny atao ihany eny anivon’ny fiaraha-monina, saingy tsy nihoatran’ny 1% izy ireny”. Azo eritreretina ve izany? Notsindriany fa “hoezahina kosa ny hampidirana an’ireo tsy nahazo nefa tokony hisitraka azy iny amin’izao dingana ankehitriny izao”. Dia manara-maso ny amin’izay isika.

Fa momba ny fepetra ho an’ireo seha-pandraharahana ara-toekarena kosa no tokony isarihana fisainana ka anairana ny mpitondra fanjakana hijery amin’ny maso tsy miangatra.

Tokony tsy hadinoina fa ny mahasamihafa ny fitsinjovana ny vahoaka ataon’ny fanjakana aty amin’ny tany andalam-panderosoana toa an’i Madagasikara amin’ireo fanampiana ny vahoaka any amin’ny tany efa mandroso sy matanjaka dia satria ireo tany efa mandroso ny matanjaka manana ny enti-miatrika izany. Nanana tahiry tamin’ny voka-pihariana nataony.

Ny tany madinika toa antsika eto Madagasikara kosa dia mitovy amin’ny fahasahiranan’ny isan-tokonambaravarana amin’ny ankapobeny e! Ny harapaka anio, tadiavina anio.

Noho izany, tsy azo ampitoviana mihitsy ny hoe “nahoana ny any ivelany afaka manampy maimaipoana ny mponina ao aminy fa ny eto amintsika, na misy aza dia ambilom-bazana”. Ny dikan’izay koa dia mamatotra andraikitra ny mpitondra fanjakana mba hijery amin’ny maso tsy miangatra e!

Efa nisy ny fepetra noraisin’ny mpitondra fanjakana ho an’ny seha-pandraharahana amin’ny ankapobeny, dia ny tsy fanefana hetra sy tsy fandoavana haba isan-tokony. Marina fa samy iharan’ny fahavoazana naterak’izao aretina izao ny rehetra fa misy kosa ny azo ambara hoe “nanan-tahiry be nandritra ny taom-piasana marobe e!”

Misy mantsy ireo iorin’asan’ny vahiny, toy ny trano fandraisam-bahiny, Star orin’asa afakaba, sy ny hafa… izay milaza ho sahirana mafy koa ka tsy maintsy nandray fepetra, hampitsahatra ny mpiasa ao aminy na hampihena ny famokarana ao aminy, sy ny sisa. Dia efa manao pi-maso amin’ny fanjakana sahady mba hisitraka fanampiana amin’ny fanjakana.

Aoka re, tompoko ô! Tsy ireny orin’asan’ny vahiny ireny mihitsy no hitovy laharana amin’ny orin’asan’ny Malagasy, mitrongy vao homana, toy ny mpanao volo, ny mpanao asa tanana, ny toeram-pisakafoana eny anivon’ny fokontany eny na mpanety, sy ny maro.

Fantatra ary heverina fa ho tsapan’ny mpitondra fanjakana handray ny fepetra ho amin’ny fanampiana sy fanohanana izany fa fampahatsiahivana no atao.

Ny tsy azo hamaivanina kosa anefa dia ny vaikan’ny fepetra ambadika sy ankolaka ary ny tala-petraky ny mpiaotra izay mpitranga amin’ireo rantsan’ny mpampanjana-bola iraisampirenena sy tambajotran’izy ireo. Aza hadinoina fa tambajotra goavana ary mahatsiravina no misy eo amin’ireny orin’asa mody misora-tena ho “tsy miankina” na “mahaleotena” tantanin’ny vahiny eto amintsika ireny sy ny rafitry ny Andrim-bolan’i Bretton Woods, dia ny Banky Mondialy sy ny FMI. Marina fa mitondra fanampiana ho antsika ireo, ary zontsika koa izany satria mpikambana ao amin’izy ireny isika ka manan-jo hisitraka ny anjarantsika amin’izao fahasahiranana izao avy amin’izy ireny. Saingy tsy eken’ny toe-tsaina mandala ny tena fitiavan-tanindrazana sy ny tena fikatsahana ny tombontsoam-bahoaka kosa raha ny ampahany sasany amin’ireny vola nambara fa hanampiana ny firenena Malagasy ireny dia hanatevenana ny tombontsoa efa norobaina na nogohan’ireny orin’asan’ny vahiny ireny teto hatrizay. Izy ireny aza no tokony hitondra fanampiana betsaka ho an’ny mpiray tanindrazana amin’izao fahasahiranana izao ka ny tokony ho anjaran’ny vahoaka indray no homena an-dry zareo. Tsia, tsy azo ekena.

Ralay

Lire aussi