La Gazette de la grande ile

Olona sahirana eny Faravohitra : Tsy nomen’ny TIM na vary iray kapoaka aza

Publié le 07 août 2020

Amin’izao fiatrehana ny krizy ara-pahasalamana izao dia samy mihezaka manao izay hoafany amin’ny fanampiana ny olona na ny tokantrano marefo ireo malala-tanana rehetra, na fikambanana izany na orinasa na olom-pirenena tsotra. Mazava ho azy fa ny fanjakana no lohalaharana amin’izany satria ny fiarovana sy fitsinjovana ny vahoaka no andraikitry ny fitondram-panjakana voalohany, eran-tany. Ny zavatra hita sy tsikaritra, tao anatin’ny 5 volana nisian’ny valan’aretina Covid-19 teto amintsika, dia tsy mba hita manampy ireo mpiara-belona sahirana fahadiranovana ireo antoko politika eto amin’ny firenena. Raha ny tarehimarika eo anivon’ny ministeran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana anefa dia an-jatony ny isan’ny antoko politika eto Madagasikara. Ho an’ny antoko Tiako i Madagasikara izay heverina fa antoko lehibe indrindra eto amin’ny firenena aorian’ny antoko eo amin’ny fitondrana, tany am-piandohan’ny valan’aretina ihany no mba nizara « bidon jaune » tamin’ny fokontany vitsivitsy eto andrenivohitra ity antokon-dRavalomanana ity, saingy taty aoriana dia mitaza-potsiny ny zava-misy eto amin’ny firenena ny antoko, ary tsy manao afa-tsy ny mitsikera ny fanapahan-kevitra rehetra raisin’ny fitondram-panjakana amin’izao ady atao amin’ny Covid-19 izao. Ilay fizarana « bidon jaune » aza aloha iny dia efa somary nanaitra ny olona ihany satria tsy izany mihintsy no ilain’ny mponina, ao anatin’izao krizy ara-pahasalamana izao. Marihana fa na ireo tokantrano sahirana ao amin’ny fokontany Faravohitra izay misy ny trano fonenan’i Marc Ravalomanana aza dia tsy mba nomen’ny antoko TIM na vary iray kapoaka aza. Sarotra ny hino fa tsy manana enti-manana hanampiana ireo olona sahirana ao amin’ny fokontany misy azy ingahy Marc Ravalomanana sy ireo mpiara-dia aminy. Ny fokontany Faravohitra raha teo tsy mitovy amin’ny fokontany eny ambany tanànana ka mahantra na sahirana ara-pivelomana daholo ny ankamaroan’ny mponina. Rehefa miresaka amin’ny mpanao gazety anefa ireo lohandohany mpitarika ao amin’io antoko io dia ny fitondram-panjakana izay efa mihezaka manao izay hoafany amin’ny fanampiana ny tokantrano marefo indray no henjehana.

F.Tsihiavonana

Lire aussi