La Gazette de la grande ile

Fomba fizarana ny sôsialim-bahoaka : Aoka mba hajaina ireo fepetra mbola manan-kery

Publié le 07 août 2020

Taorian’Atsimondrano dia anjaran’ny distrikan’Avaradrano indray no nahazo ny fanampiana sôsialim-bahoaka avy amin’nyf itondram-panjakana, nanomboka omaly. Nosantarina teny amin’ny kaominina Alasora ny fizarana ka ny filoham-pirenena no lohalaharana nitarika ireo manam-pahefana teny an-toerana. Tokantrano arivo no nahazo fanampiana, omaly, ary mbola hitohy any amin’ireo kaominina hafa rehetra ao anatin’ny distrika ny fizarana. Tena ilain’ny mponina sahirana tokoa io fanampiana ataon’ny fitondram-panjakana io, saingy eo amin’ny fomba fizarana azy no tokony hasiana fanovana mba hisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina. Raha nyfahafantarana azy dia mbola manan-kery nyfepetra ara-pahasalamana rehetra napetraky ny fitondram-panjakana eto amin’ny Faritra Analamanga ka ireo mpitondra sy manam-pahefana no voalohany tokony hanaja izany voalohany mba ho fitaratra eo anatrehan’ny vahoaka. Raha mijery ny zava-nitranga, omaly, tenyAlasora mantsy dia nifanitsa-kitro ny vahoaka, indrindra fa tamin’ny fotoana nitenenan’ny filoham-pirenena. Na inona na inona ambara dia mety hanaparitaka ny tsimonkaretina ny tranga toy ireny ka   tsy tokony    hatao intsony. Marina fa mety manam-piniavana hampirongatra ny valan’aretina ny mpitondra, saingy raha ny hita miharihary aloha dia tsy voahaja ireo fepetra, voalohany amin’izany ny elanelana iray metatra. Mety ho sarotra ny hifehezana ny vahoaka rehefa misy ny fizarana fanampiana, ka manoloana izany indrindra dia tokony hijery fomba hafa mba tsy hampirongatra ny valan’aretina ny fitondram-panjakana. Tsy teny Alasora ihany fa nany teny amin’ireo kaominina sasany, tahaka ny teny Ankadikely Ilafy ohatra dia mitovy amin’ireny vahoaka mijery fampisehoana mpanakanto fatan-daza ireny ny fahitàna ireo olona niandry ny fanampiana. Raha ho toa izany avokoa ny endriky ny fizarana amin’ny kaominina rehetra ato amin’ny Faritra Analamanga, dia azo antoka fa hirongatra izay tsy izy ny valan’aretina kanefa ny vahoaka efa miandry fatratra ny fotoana hahataperan’ity krizy ara-pahasalamana ity.

F.Tsihiavonana

 

Lire aussi