La Gazette de la grande ile

Fisorohana ny disadisa : Novoriana maika ireo sefom-pokontany eto andrenivohitra

Publié le 07 août 2020

Ny zavatra hita tao anatin’izao krizyara-pahasalamana izao dia misy hatrany ny disadisa rehefa misy ny fizarana fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana ho an’ireo olona tokony hisitraka izany. Na aiza na aiza fokontany hanaovana ny fizarana dia tsy maintsy misy ny olona tsy tafiditra ao anaty lisitra ka lasa miteraka disadisa amin’ny fiarahamonina. Antony vitsivitsy moa no mahatonga ireo olona sasany tsy mahazo ny fanampiana. Ny voalohany aloha dia ny tsy fahatomombanan’ny lisitra misy ny anaran’ireo mponina ao amin’ny fokontany, fa eo ihany koa ny fisian’ny ankitrano antrano eo amin’ny fomba fizarana ny fanampiana na fanodinkodinana ny entana avy amin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina na fokontany. Manoloana izany indrindra dia novoriana maika teny amin’ny lapan’ny tanàna Analakely, omaly, ireo sefom-pokontany rehetra miisa 192 eto Antananarivo renivohitra. Nygovernoran’ny Faritra Analamanga sy ny ben’ny tanàna no nitarikany fivoriana ka ny tanjona tamin’izany dia ny fanomezana toromarika sy famolavolana paikady vaovao mba tsy hisian’ny disadisa intsony amin’ny fizarana ireo fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana. Nanome baiko ireo manam-pahefana tamin’io fivoriana io fa tokony ho laharam-pamehana amin’ilay fanampiana sosialim-bahoaka ny olona izay mbola tsynisitraka ny Vatsy tsinjo nany Tosika fameno izay efa no zaraina tao anatin’izao krizy ara-pahasalamana izao.

F.Tsihiavonana

Lire aussi