La Gazette de la grande ile

Ihorombe : Tsy ekena  ho Governora i Tinah Rabendrainy

Publié le 07 août 2020

Ao anatin’ny fiandrasana izay hatao ho governora isakin’ny faritra ireo toerana mbola tsy nanendrena izany. Isan’ny miandry fatratra izany ny ao Amoron’i Mania sy ny any Ihorombe raha ny vaovao izay any amin’ny faritanin’i Fianarantsoa iny no asian-teny. Ny faritra Ihorombe izay misy ny distrikan’Iakora , Ivohibe ary Ihosy.  Raha ny voalazan’ny mpikatroka mpomba ny fanjakana ankehitriny dia ny TGV(tanora Malagasy vonona) sy ny Mapar(Miaraka amin’i Prezida Rajoelina)  any amin’ireo toerana ireo, dia ny tena olana amin’ny fanendrena ny governora izany dia ny tompon’andraikitra politika ao amin’ny TGV sy Mapar. Ireo no mandefa tatitra diso any amin’ foibe nasinaly sy ny filohan’ny repoblika. Izany “SN” sy ny “Coordo” izay solontenan’ingahy  Andry Rajoelina any amin’ireo toerana ireo no voalaza fa mampitarazoka ny fanendrena.   Hoan’ny faritry Ihorombe manokana ary dia fantara izao fa olona tsy avy any amin’iny faritra iny no teren’ny SN any amin’ny faritanin’i Fianarantsoa iny ho governora ao amin’ny faritra Ihorombe. Mikororontana noho izany ny mponina sy ny mpanohana ny IRD any antoerana ankehitriny. Misakana sy tsy mankasitraka ny ho fanendrena an’i ramatoa Rabendrainy Tinah izay asisika mafy amin’ny toerana io, izay kasain’ny SN samy irery hatao amin’ izany. Nanambara hatrany ny mpikatroka IRD any Ihorombe fa noho ny antony fanendrena kandidà tsy mifanaraka amin’ny hetahetampo ny olona any an-toerana no nahatonga ny tsy fahombiazana tamin’ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna farany teo ka raha toa 31 ny kaominina rehetra ao amin’ny faritra Ihorombe dia ny 9 monja amin’izany no azon’ny TGV sy ny Mapar ary ny IRD mitambatra. Mbola izany koa no antonym tsy nahazoana raha tsy toerana iray tamin’ny 3 tamin’ny fifidianana izay ho solombavambahoaka farany teo.  Araka ny voalazan’ny antoko mpomba ny fanjakana any an-toerana amin’izao fotoana izao dia mitaky ny hametrahana olona avy any amin’ny faritra Ihorombe, ka hosafidianana amin’ireo zanaky ny faritra izany. Ity ramatoa atolotry ny SN ity dia sady tsy zanaky ny faritra no olona tsy mahay akory ny fomba sy ny fiarahamonina any an-teoerana izay ilaina amin’ny olona izay tokony ho governora izany.

Jesy Rabelaolao

 

Lire aussi