La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday : “Panier garni” faharoa ity !

Publié le 07 août 2020

Mikorontana sy misavorovoro ny fiaraha-monina ankapobeny, indrindra ny eto amin’ny Faritr’Analamanga amin’izao fotoana. Antananarivo Renivohitra sy Avaradrano ary Atsimondrano moa no tena nitrangany tamin’ity herinandro ity. Tsy inona io fa ny fitsinjarana ilay fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana nantsoina hoe “vatsy tsinjo” na “sosialim-bahoaka”. Tsetsatsetsa tsy aritra aloha no anamarihana fa ny nisafidianana ilay voambolana hoe “sosialim-bahoaka” dia efa diso satria tsy misy dikany sy fototra iorenany ara-boanteny izany. Fa ny tian-kivoitra dia ny savorovoro miseho. Raha ny voalaza hatrany amboalohany dia hoe “ny olona marefo no ampiana amin’izy io”. Dia manitikitika ny saina ny hoe “olona amin’ny maha-olona azy ve sa ny ankohonany no tarafina amin’ny hoe “marefo sa tsy marefo”? Inona koa aloha no famaritana ny antsoina hoe “marefo”, ary inona ny mason-tsivana enti-manasokajy an’izany?

Raha ny fahasahiranana mitranga amin’izao fotoana no banjinina dia ny 95%-n’ny tokantrano malagasy dia marefo avokoa satria tsy misy afaka miasa mba hampidirany vola. Raha ny rariny sy hitsiny izany dia ny 95%-n’ny tokantrano no tokony hisitraka an’io “vatsy tsinjo” io. Izay ve anefa no fisehony? Ampy hiatrehana an’izany ve ny tolotra avy amin’ny fitondram-panjakana?

Ny tenin’ny filohampirenena teny Bemasoandro Itaosy ny talata teo mantsy dia mahalasa fisainana ny maro satria nambarany fa “ny rehetra dia hahazo ny anjarany amin’izy io avokoa ary ny fitomboka amin’ny karnem-pokontany no manamarina izany”. Tena tsarabe izany ary nahazoany hoby sy fankasitrahana avy amin’ny vahoaka teny. Tetsy ankilany, ny Governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery dia mbola namerina indray ny hoe “ny marefo rehetra dia tsy maintsy hahazo”. Ny zava-misy dia tsotra. Na ny rehetra tsy misy fanavahana homena na ny marefo rehetra ihany, dia tsy ho ampy ny tolotra avy amin’ny fanjakana foibe. Manjary mampiady ny mpiray fokontany ilay izy. Ekena fa misy ny filohampokontany nanararaotra, fa tsy ny filohampokontany rehetra kosa dia mpanao risoriso avokoa. Misy koa ny sokajin’olona sasany izay manararaotra ny rano mikobana ka satrin’izy ireny aza miseho ny savorovoro toa izao hamatorana andraikitra ny fitondram-panjakana ho tsy mahavita azy. Satria tsy ampy ny tolotra avy amin’ny fitondram-panjakana foibe dia mazava ho azy fa izay rehetra tsy nahazo dia hihetsika andalambe avokoa ary hihampanga ny filohampokontaniny ho mpanao kolikoly sy risoriso avokoa. Tsy sanatria mamoa fota-mandry fa mampahatsiaro ny “solom-pen’akoho” nomen’ny filohampirenena ny mpiasampanjakana tamin’ny faran’ny taona 2019 na ilay nantsoina hoe “panier garni” ity raharaha ity. Tsy nazava hatrany amboalohany ny famaritana sy ny mason-tsivana ho an’ny mpiasampanjakana tokony hisitraka an’iny solom-pen’akoho iny, ka izay nitsinjara ny teo ampelan-tanany ho an’ny rehetra dia niharan’ny sazy na nesorina tamin’ny toerany satria nosokajiana ho tsy mahay mitantana na nanodinkodina. Efa aty aorian’ny taom-baovao vao nisy filazana hoe “ny mpiasampanjakanan teto andrenivohitr’Antananarivo ihany no tokony hisitraka an’iny solom-pen’akoho iny”. Hay ve misy mpiasampanjakana karazany roa ka ny iray ny eto andrenivohitra fa ny faharoa dia ny any ivelan’ny renivohitr’Antananarivo e?

Misy sokajin’olona roa marefo koa izany eto. Samia mieritreritra  ry zalahy an!

Rainisoa

 

Lire aussi