La Gazette de la grande ile

Onitra noho ny fahavoazana nateraky ny raharaha politika : Ny ankamaroan’ireo miseho ho manan-jo dia ireo namotika firenena

Publié le 21 septembre 2020

Nihetsika indray tao ho ao ireo vondron’olona mitonona ho niharam-pahavoazana noho ny raharaha politika teto amin’ny tany sy ny firenena ka mitaky ny onitra sy ny fanamboarana ny fahavoazany amin’ny vahoaka malagasy. Vantanina ny resaka fa ny kitapom-bolam-panjakana no iantefan’ny fitakian’izy ireo hanefana izany fa raha savasavaina dia ny vahoaka malagasy no tsy maintsy miantsoroka izany.

Ny tian-kambara dia tsotra. Tsara aloha raha fariparitana sy vahavahana ny tontolon’ity resaka ity fa misy ny manao azy io salobokomana sy sanatriavin’ny vava, afenimpenina toy ny varo-boanatsindrana.

Ny niatombohan’ity resaka ity aloha, aleo tsorina, dia ny fifanarahana nifanaovan’ny mpisehatra politika tamin’ireny raharaha 2009 ireny, rehefa noteren’ny Mpampanjana-bola iraisampirenena nialokaloka tao anatin’ny hoe « Fianakaviambe Iraisampirenena ». Tamin’ireny fotoana ireny, satria tsy zakan’ny sain’ny mpampanjana-bola iraisampirenena mihitsy izany hetsi-bahoaka izany ka mba hamaizana ny vahoaka tsy hanao fihetsiketsehana politika intsony dia navoaka avokoa izao fepetra rehetra izao, ka iray amin’ireny ity hoe « onerana ny olona tra-pahavoazana noho ny hetsika politika  » ity.

Satria niharan’ny hatezeram-bahoaka ny fananan-dRavalomanana tamin’ny 2009 dia navoitrany io resaka io tamin’ireny FIfanarahana politika ireny.

Nifamaliana ihany izany tamin’izany fotoana satria ny mpitondra fanjakana koa (fitondrana tetezamita) dia tsy nitsipaka an’izay fanonerana azy izay fa nampivoitra ny hoe “Misy volam-panjakana tsy naloan-dRavalomanana tao amin’ny kitapom-panjakana koa, dia ny hetra izany, ary nandritra ny fotoana nitantanany no nanararaotany ny fahefam-panjakana momba izany”.

Izany hoe “tokony nampifandetsena (compensation) izany ny onitra tokony hanamboarana ny fahavoazan-dRavalomanana (raha rariny izany ???) sy ny volam-panjakana (hetra) tsy naloan-sRavalomanana tamin’ny fotoanadro.

Fa tetsy ankilany dia nitraotra koa ny sokajin’olona sasany, toa ireo mpiara-dia tamin-dRatsiraka, izay nisy niharan’ny fahavoazana koa tamin’ny hetsi-bahoaka tamin’ny 2002, ka nitaky mba hisitraka onitra.

Ny tohiny moa dia noraisina ny foto-kevi-dehibe hoe “onerana ny fahavoazan’ireo rehetra nianjadian’ny famotehana tamin’ny fihetsiketsehana politika. » Ary izay io mihetsika ankehitriny io indray.

Izahay tsy miteny hoe rariny na tsy rariny ny fanonerana an’izay niharam-pahavoazana noho ny hetsika politika fa mijery ny tranga efa niainana teto.

Tamin’ny Raharaha 1972, ohatra, dia nisy fianakaviana iray nitondra ny raharaha teo anoloan’ny Fitsarana, nangataka  mba hanoneran’ny fanjakana ny fahavoazany satria maty voatifitra tsy nahy ny zanany nilalao teny antokontany. Io tifitra io dia tafiditra tao anatin’ny Raharaha 1972. Izany hoe hetsika politika, ary ny nahatifitra an’ilay olona dia ny tafi-panjakana (FRS). Nolavin’ny fitsarana izany fangatahana onitra izany. Nanana ny antony ny fitsarana.

Fa ity onitra resahina ankehitriny ity indray dia voafatotry ny “fifanarahana politika”, hono. Ndeha àry hoekena fa nisy izay fifanarahana politikan izay, saingy ny tsy mety amin’ny fisainana kosa dia tsotra e! Ohatran’ny hoe manaiky ny vahoaka fa diso izy ireo ka hanonitra ny fahavoazana vokatry ny hetsi-bahoaka.

Aoka hazava ny resaka fa ny vahoaka tena nitolona tompoko, tsy nandroba na iza na iza, ary tsy namotika na fananan’iza na fananan’iza. Mpanararaotra no maro tamin’ny fandrobana nitranga teto, ka nahoana no ny vahoaka nijoro nitaky ny anjara-masoandrony no hiongom-bolo amin’ny tsy azy?

Etsy ankilany, nisy tamin’ireo niharan’ny fandrobana sy fandravana tamin’ireny hetsika ireny koa, na 2009 na 2002 na ny zavatra hafa rehetra talohan’izany no tena fahavalom-bahoaka, fahavalom-pirenena. Ka na vahoaka nanao ny “fikarakarana” azy na mpanararaotra na mpikarama an’ady, dia aoka kosa mba tsy ny volam-bahoaka, volam-panjakana no andoavana an’izany onitra izany e! Ny misy anefa, ka miseho ho manan-jo hisitraka an’izany onitra izany, dia saika ireo olona tena nosokajian’ny vahoaka fa fahavalony. Anaovana azafady.

Ny vahoaka koa ange mba manan-jo honeran’izy ireny satria niharam-pahavoazana nandritra ny nitondrany e! Nampahantraina ny vahoaka, nisy tamin’ny havan’ny vahoaka no namoy ny ainy tamin’ny endriny maro, na noho ny hanohanana na noho ny fahantrany na noho ny fandripaham-bahoaka nataon’ny mpitondra teto (fanjanahantany, Aprily 1971, May 1972,  Aogositra 1991, 2002, 2009…) sy ny hafa. Iza no mba azon’ny vahoaka hitakiana  onitra amin’izany? Nisy ny vahoaka very asa sy namoy harena noho ny fihetsiky ny mpitondra nifandilmby teto. Odiana tsy fantatra ireny satria tsy nanaovana “fifanarahana politika”?

Raha misy ny fanorenana ara-drariny dia ny vahoaka no lohalaharana tokony mahazo an’izany. Raha misy koa ny onitra tokony alohan’ny fanjakana noho ny hetsika politika dia ireo tra-pahavoazana noho ny fanararaotan’ny sasany (mpandraharaha tsy mpanao politika nefa voaroba, ohatra). Fa raha mpisehatra politika sy mpilalao politika, na fahavalom-bahoaka nanararaotra ny fahefam-panjakana voaroba na niharan’ny hatezeran’ny olona, na vahoaka nahavanona izany na mpikarama an’ady na mpanararaotra, eny mety ho ny tompony ihany koa no nanao sarimihetsika na sinema nampandroba sy nampandoro ny fananany, toy ny teny Ampasampito tamin’ny 2009, dia mba tsy rariny kosa raha ny vahoaka no asaina manamboatra ny fahavoazany amin’ny alalan’ny fanomezana onitra azy ireny e!

Ahoana koa ary iza moa no afaka manombana ny fahavoazana tamin’izany rehetra izany e? Sa hitsikombakombana koa.

Ny onitra avo karazana voalohany takian’ny vahoaka izao dia ny fananan’ny vahoaka norobain’ny mpanjanatany frantsay teto sy ny onitra nateraky ny fandripaham-bahoaka nataon’ny mpanjana-tany teto, ary toraka izany avokoa satria nanara-davahana ny nataon’ny frantsay teto ny mpitondra rehetra nifandimby teto.

Ralay

Lire aussi