La Gazette de la grande ile

Fanonerana ireo gadra politika : Nandiso ny voalazan’ny Maitre Olala ny CFM

Publié le 22 septembre 2020

Nomarihana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fivoriambe andiany faha-3 ho an’ny CFM (Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy). Tamin’io fotoana io no nanararaotra namaly ny resaka nataon’ireo niharam-boina tamin’ny krizy politika niseho teto amin’ny firenena, tamin’ny 2002 sy 2009, ny filohan’ny CFM Maka Alphonse. Tsiahivina fa ny Maitre Olala no mpisolovavan’ireto niharam-boina tamin’ny krizy ireto, ary nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety nataon’izy ireo, ny zoma lasa teo, no nanambara ity mpisolovava ity fa ny 30 isan-jaton’ny tetibola tokony hanonerana ireo niharam-boina no anjaran’ny fanjakana malagasy. Tsy marina velively anefa izany raha ny fanazavana nomen’ny filohan’ny CFM, Maka Alphonse. “Misy ireo milaza fa ny fanjakana malagasy no tokony hanome ny 30 isan-jaton’ny vola tokony hanonerana ireo niharam-boina noho ny krizy politika, ary ny 70 isan-jato kosa no anjaran’ny sehatra iraisam-pirenena. Aleo hazava fa tsy mitombina velively mihintsy izany satria na ny sori-dalana nosoniavin’ireo mpanao politika ,tamin’ny 2011, na ny lalàna momba ny fampihavanam-pirenena dia tsy misy milaza izany atontan’isa izany. Ny voalazan’ny sori-dalana dia amin’ny alàlan’ilay Fond nationale de solidarité  na ny FNS no hanonerana ireo niharam-boina, ka ny fanjakana malagasy sy ny sehatra iraisam-pirenena no mamatsy vola izany. Didim-panjakana avoakan’ny governemanta no tokony hametraka ny FNS, saingy mandraka ity anefa ny androany, tsy mbola nivoaka io didim-panjakana io”, hoy ny filohan’ny CFM, Maka Alphonse. Efa nisy ny vinavinana volavolan-dalàna (avant projet de loi) izay novolavolain’ireo mpikambana ao amin’ny CFM ary efa natolotra ny praiminisitra, tamin’ny volana aogositra 2019, saingy tsy mbola nankatoavin’ny fitondram-panjakana izany, hoy hatrany ny fanazavana. Vinavinana volavolan-dalàna 2 moa natolotry ny CFM, dia ny volavolan-dalàna momba ny fametrahana ny FNS (Fond nationale de solidarité) sy ny volavolan-dalàna mamariparitra ny pitsopitsony rehetra mikasika ny fanonerana ireo niharam-boina. Mazava ho azy fa tsy afaka hamaly ny fitakiana ataon’ireo niharam-boina noho ny krizy politika mihintsy ny CFM raha tsy efa misy ny didim-panjakana mivoaka sy ny tetibola afahan’izy ireo manao izany. Araka ny fanazavana nomen’i Maka Alphonse, tokony ho voafaritra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ny vola tokony ho anjaran’ny fanjakana malagasy ao anatin’io FNS io, saingy raha ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana efa nankatoavina teny amin’ny parlemanta dia tsy misy na ariary aza no natokana ho amin’izany. Tsara tsipihana fa tsy gadra politika ihany no voakasika amin’io hoe niharam-boina tamin’ny krizy politika io fa tafiditra ao anatin’izany koa ireo olona tsotra na mpandraharaha nitondra takaitra nandritra ireny hetsi-bahoaka sy korontana niseho teto amin’ny firenena, ny taona 2002 sy 2009.  Mikasika ny resaka famotsoran-keloka kosa indray, nilaza ny filohan’ny CFM fa efa nalefa any amin’ny Fitsarana tampony daholo ny antontan-taratasin’ireo olona rehetra nangataka izany famotsoran-keloka izany, efa nandefa ny “avis juridique” ny Fitsarana tampony ka afaka mandinika ireo atontan-taratasy fangatahana amin’izay ny CFM. Tsy maintsy ho vita ao anatin’ity fivoriambe haharitra iray volana ity ny fandinihana ireo fangatahana famotsoran-keloka ireo, hoy hatrany ingahy Maka Alphonse.

F.Tsihiavonana

Lire aussi