La Gazette de la grande ile

Adim-poko : Novakian’i Ntsay Christian bantsilana

Publié le 22 septembre 2020

Isan’ny teboka noresahin’ny Praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny haino amanjery ny alahady alina teo ny fivoizan’ny sokajin’olona sasany ny resaka hoe “fanavakavahana ny faritra sasany izay tsy mba voajerin’ny fitondram-panjakana ary indraindray aza dia miitatra any amin’ny firesahana foko”. Misy hatrany tokoa ny mivoy an’io resaka io rehefa mijoro mitaky na maneho hevitra politika. Ny zava-nisy teto amin’ny tany sy ny firenena dia ahitana ampahan’olona mivoy azy io amin’ny fotoana sasany, na ny mpilalao politika ao anatin’ny fitondrana sy ny mpiara-dia aminy, indrindra rehefa hiaro ny tombontsoany izy, na ny mpilalao politika ivelan’ny fitondrana na ny miseho ho mpanohitra koa, rehefa te hahazo ny tombontsoany ka mitetika fahefam-panjakana izy. Ho an’ny Praiminisitra Ntsay Christian dia nivantana izy namaky bantsilana ny tsy fahamarinam-pototry ny filazan’ny olona sasany ivelan’ny fitondrana fa “ianjadian’ny fanavakavahana ny faritra”. Toa te hiteny tokoa mantsy ireny sokajin’olona ireny hoe “tsy misy fijerena afa-tsy Antananarivo”. Ho an’ny Praiminisitra dia nanambara izy fa “ny tenako dia avy any amin’ny faritra avaratra, saingy mahita amin’ny maso tsy miangatra fa miezaka ny fitondram-panjakana mampitovy lenta  sy manao izay hampandrosoana ny faritra rehetra”. Na ny fananganana fotrodrafitrasa toy ny toeram-pianarana na toeram-pitsaboana na kianja fanaovana fanatanjahantena na fanamboarana lalana sy ny maro tsy ho voatanisa, hoy i Ntsay Christian, dia miezaka ny fitondram-panjakana. Notsiahiviny moa fa “isan’ny tarigetran’ny filohampirenena ny hoe “tsy hisy distrika na faritra hohadinoina izany manomboka izao”. Ady hevitra tokony hosokafana eto amintsika tokoa aloha, ary tsy tokony hosokajiana ho fady ny famakiana bantsilana ny tena zava-misy eto e! Iray amin’izany ity resaka faritra sy foko ity. Matetika tokoa mantsy no voaresaka izany, ary ekena fa ny mpilalao politika nandova ny tetika maloton’ny mpanjanatany frantsay no mivoy azy io satria te hampahomby ny fampifandrafesana ny samy Malagasy, fa tsara sy ilaina koa ny hahafantaran’ny taranaka ankehitriny ny lanjan’ny antsoina hoe “tanindrazana” sy ny “firenena”.

Tsy ho tsininay angamba, raha mindrana ny foto-kevitr’i Emilson Daniel Andriamalala ao amin’ny Bokiny hoe “Fanagasiana” izahay raha mamaritra fa “rehefa tsapantsika Malagasy isanisany fa ny “izao tontolo izao ity amiko” dia tsy izaho vatantenako na ny ankohonako na ny fianakaviako na ny fokontany onenako na ny faritra misy ahy fa i Madagasikara, dia hiova ny tontolo entintsika miatrika ny antsoina hoe fampandrosoana”.

Indraindray tokoa aloha na matetika dia noho ilay fomba fijery na fihevitra tsy mahita na tsy mieritreritra afa-tsy ny tombontsoan’ny tena na ny tombontsoan’ny ankohonan’ny tena na ny an’ny fianakavian’ny tena na ny an’ny mpiray fiangonana amin’ny tena na ny an’ny mpiray dabilio fahiny amin’ny tena … no mialoha lalana ny olona sasany ka na tonga eo amin’ny fahefam-panjakana aza izy dia zary lasa raiki-tampisaka aminy izay fomba fihevitra izay”. Raha tsapantsika fa i Madagasikara no izao tontolo izao dia na aiza ianao miasa na aiza, na aiza ianao manatanteraka asa fampandrosoana na aiza, dia anjara birikinao ho an’ny firenena dia i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy izany. Tsy midika izany fa raha tsy mijery ny faritra niavianao ianao dia tsy handroso iny faritra iny na tsy hiarim-piainana ny mponina any. Ady hevitra tokony hosokafana ao anatin’izany ny famakafakana hoe “iza avy tokoa aloha no tena tompon’andraikitra tamin’ny tsy fahafahan’ny firenena Malagasy nandroso, tsy nampivoatra azy, tsy niroboroboany ara-toekarena, tsy nitondra fiarenam-piainana ho an’ny vahoaka isa-pokontany fa tsy isaky ny faritra akory…?” Misy mantsy ny milaza fa matetika dia ny olona avy amin’ilay faritra ihany no tena fototr’ilay tsy fandrosoan’ilay faritra. Ndeha horesahina izany fa tsy avela ho toy ny ankamantatra fotsiny àry e!

Rainisoa

Lire aussi