La Gazette de la grande ile

Fitondram-panjakana : Tsy mahatendry governora 22 ao anatin’ny herintaona

Publié le 23 septembre 2020

Tamin’ny lahateny voalohany nataony teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina, ny 19 janoary 2019, no nilazan’ny filoha Andry Rajoelina fa hapetraka isaky ny Faritra ny governora ka izy ireo no tena hiantoka ny fampandrosoana ny Faritra tsirairay avy. Ny tena marina moa dia ny lehiben’ny Faritra teo aloha no novaina ho governora, fanovana izany  nankatoavin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, ny volana novambra 2019. Raha ny 19 janoary 2019 no nandray ny fahefana feno ny filoha am-perinasa, dia efa valo volana taty aoriana, izany hoe ny volana septambra 2019 vao nanendry ny ampahany voalohany amin’ireo governoram-paritra ny fitondram-panjakana. Miisa 11 izy ireo no voatendry nandritra ny filankevitry ny minisitra natao tamin’ny 26 septambra 2019, dia ny governoran’ny Faritra Analamanga, Mahatsiatra Ambony, Sava, Menabe, Anosy, Androy, Atsimo Andrefana, Alaotra Mangoro, Sofia ary Atsimo Atsinanana. Ny volana febroary tamin’ity taona 2020 ity no nanendrena ny governoran’ny Faritra Vakinakaratra sy Vatovavy Fitovinany, ary ny 23  jolay lasa teo kosa no voatendry ny governora ho an’ny Faritra Boeny, Diana sy Analanjirofo. Hatreto izany dia mbola misy efatra ny Faritra tsy mbola nahazo governora: ny Faritra Melaky, Bongolava, Amoron’i Mania ary Betsiboka. Feno herintaona katroka amin’ny sabotsy 26 septambra izao noho izany ny nanendrena ireo governora miisa 11voalohany. Midika izany fa tao anatin’ny herintaona, tsy nahavita nanendry ny governora rehetra manerana ny Faritra 22 ny fitondram-panjakana. Tsy fantatra moa ny tena antony mahatonga izay fahatarana izay ka mahatonga ny mpanara-baovao sasany hametra-panontaniana. Ny olona hapetraka eo amin’izany toeran’ny governora izany ve no tsy misy sa inona ny antony? Araka ny voalazan’ny filoham-pirenena mantsy dia ireto misolo ny lehiben’ny Faritra teo aloha ireto no miandraikitra ny fampandrosoana isam-paritra, noho izany tokony ho laharampamehana ny fametrahana ny governora fa tsy tokony hitarazoka tahaka izao.

F.Tsihiavonana

Lire aussi