La Gazette de la grande ile

Ikongo : Ny tantara tsara ho fantatra

Publié le 23 septembre 2020

Eo anatrehan’ny fiadian’ny olona sasantsasany an’ity renivohitrin’ny Tanala na ny Antanala ity izay antsoina hoe Ikongo na “Fort-Carnot” tamin’ny andron’ny fanjanahantany frantsay dia tsara ihany no iverenana ny tantara.

Ikongo dia distrika iray ao amin’ny faritan’i Fianarantsoa, ary tao amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany no nisy azy. Koa satria ipetrahan’ny ady hevitra be ny amin’ny hisy azy na ho any Vatovavy izy na ho any Fitovinany satria misy olona na sokajinolona vitsivitsy izay miady ity distrika ity ho any amin’ny faritra Vatovavy.

Tsy dia hiditra be loatra amin’izany izahay fa anjaran’ny fanjakana foibe no mametraka azy amin’ny faritra izay tiany hisy ity distrika ity. Na izany aza dia tsy ho adidin’ny mpitondra fanjakana ihany no tokony hitondra ny vahaolana fa azo raisina ihany koa ny fahitan’ireo olona ivelan’ny fanjakana azy. Samy milaza ny filazany avokoa ny andaniny sy ny ankilany. Efa nanao izany ingahy Andry Nirina Rajoelina volana iray lasa izay ka ankoatran’ny olom-boafidy sy ny mpanao politika tany amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany dia nanontany ny hevitry ny Ampanjaka tamin’ireo toerana ireo ny filoham-pirenena. Ny raimandreny ara-drazana ireny tokoa dia fankan-kevitra satria sady ipetrahan’ny tantara no itoeran’ny fahendrena ihany koa. koa heverina fa fahendrena lehibe nataon’ny filoham-pirenena izany.

Tapaka tamin’izany fivoriana izany fa Ikongo dia hoany amin’ny faritra Fitovinany no nametrahana azy amin’izao fizarana faha 23 izao fa tsy hoany Vatovavy. Efa naneho ny heviny ny mpanao politika avy any Mananjary izay notarihin’ny depiote  Andrianandrasana Marie Ignace izay nivory tamin’izany momba ny fakantoavana ny fanapahan-kevitra  noraisin’ny rehetra tamin’ny 9 septambra 2020 teto Antananrivo iny. Avy hatrany dia nanao tatitra tamin’ny Malagasy ity depiote ity tamin’ny alalan’ny fahitalavitra iray eto Antananarivo. Nohazavainy tsara tamin’izany ny mahakasika an’i Ikongo manokana sy ny antony nandefasana azy any Fitovinany.

Tsy hiditra lalina amin’izany izahay satria tsy misy olona afaka hamaritra izany hihoatra ny filohampirenena, ny ampanjaka ary ny mpanao politika toa ireo nivory ireo intsony.

Ankoatran’izany dia tianay no mitondra ny tantara fohifohy izay nofintinina mahakasika an’i Ikongo araka ny lovantsofina sy izay efa nosoratana tamin’ny boky maro.

 Marina fa samy manana ny tantara filazany ny rehetra, nefa ny mpanoratra dia ZAFIRAMBO, izay taranaky ny ampanjaka RAMBO izay namorona ny fanjakana tany Ikongo. Mipetraka ao Ankily Vohitramba ao Matetanana ao Vohipeno ka nonina any Ambatofinandrahana rehefa avy niady tamin’i Radama Voalohany ny taona 1820 rehefa nihevitra ny hanjanaka ny faritra iny ity mpanjakan merina ity nefa tsy tanteraka izany.

Ny fizaram-paritra toa itony dia miankina amin’ny kolontsaina sy ny fomba ary ny tantara no amaritana azy ka na tsy tompon’ny fanapahan-kevitra aza ny mpanoratra dia heverina fa mety hitondra hevitra sy vahaolana sy ahiahy ny sasany ihany ny amin’ny fiarahany amin’i  Ikongo amin’ny faritra Fitovinany izao  tantara izao.

Rambo dia zanaka lahimatoan’i Andriamarohala na Ramarohala izay mpanjaka ny fanjakana Antemoro(Anteony, Antalaotra ary Ampanabaka) tao Fenovola-Ivato Matetanana ao Vohipeno. Nanorina ny lapa tao Fenovola-Ivato izy ny taona 1504, raha toa ka tany Ambohabe no foiben’ny fanjakana Antemoro nanomboka ny taona 1336. Ny raiben’i Andriamarohala antsoina hoe Ramakararo no razamben’ny fanjakana Antemoro izay tonga teto Madagasikara io raha niainga avy any La Mecque any Arabie Saoudite. Jiosy nifindrafindra monina tanteraka ny Antemoro Anteony izay nanorina ny fanjakana voalohany teto Madagasikara io ny taona 1336-1337. Niala avy any Jerosalema na Kanana izy ireo dia nipetraka tany Anatolie na Turquie amin’izao fotoana izao ka tao Ionie, dia nivadika tao Ephèse, izay vao nandeha tany La Mecque ka nandeha hanorina fanjakana aty Madagasikara tamin’izany taona izany araka ny tendry izay napetraky ny Zanahary amin’izy ireo. Izany no antony nitondrany ny anarana hoe Anteony(Ionie), avy amin’ny tanàna voalohany nifindrany avy any Hebron Israely. Voalaza ny Sorabe n any fan draka fa taranaky Joseph na josefa zanaky Jakoba izy ireo, izay razamben’i Mosesy sy Salomona ary Davida mpanjakan’ ny Jiosy.

Niaraka taminy tamin’izany ny Ampanjaka iray antsoina hoe  izay razamben’ny Antambahoaka ao Mananjary. Ity farany dia arabo ary musulmane raha ny tantara ihany. Mitovitovy ny fomban’ny roa tonta raha toa ka tsy tena mahalala ny tantara isika saingy tena misy fahasamihafany rehefa tena miditra lalindalina kokoa. Izany no tsy niarahany nipetraka satria samy manana ny hanitra ho azy na dia iray fihaviana aza samy avy any Moyen Orient.

Rehefa lehibe i RAMBO dia lasa nanorina fanjakana manokana hoa azy, ka tsy maintsy niala tao Matetanana Vohipeno izy, satria araka ny fomba Jiosy dia ny faralahy no tsy maintsy mandimby ny fanjakana nentin’ny rainy. Ka izany no antony nitondran’i Ndretomambe ny fanjakana tao Ivato Fenovola rehefa nodimandry Andriamarohala. I Ndretomambe izay zanaka faralahy nateraky Andriamarohala mpanjaka tao Fenovola-Ivato tamin’i Ravahinia izay taranaky Raminia avy ao Satrokefa Valamena ao Ankadirano Mananjary. Nandeha nijery ny raibeny tany Mananjary I  Rambo taorian’ny fitsofan’ny rainy Ramarohala azy ny hitondrany sy hanorenany fanjakana vaovao. Naka ny tsodrano avy amin’ny lafiny reniny koa tao Mananjary koa izy alohan’ny hanorenany ny fanjakana tany Ikongo. Io no isan’ny ipetrahan’ny olana ankehitriny.

Tiana ny manamarika etoana fa tsy manjaka vehivavy ny fanjakana Antemoro sy Antambahoaka ary Antefasy sy Antesaka.

Koa rehefa mitondra fanjakana dia ny  zanaky ny lehilahy hatrany no mitondra ary ny zana-behivavy dia mipetraka ho andriana hatrany ihany toa  ny fanjakana misy maneran-tany indrindra ny taranaky Sema.

Nisy fotoana rehefa tafatsangana ny fanjakana nentin’i Rambo tany Ikongo dia nisy namono ny zandriny faralahy antsoina hoe Ndretomambe io  izay nantsoia koa hoe IONY izay taranaky ny faralahy izay razamben’i RAMASITRAKARIVO izay ampanjaka atao amin’ny lapan’i Fenovola-Ivato hatramin’izao. Voatery tsy maintsy nidina tany Matitanana izy nandamina izany noho ny maha lahimatoa azy. Rehefa tonga tany izy dia nanambady Antalaotra na Antesavagna  antsoina hoe Hovavagno tao Sagnambary akaiky i Magnarivo. Dia napetraka tao Ankily Vohitramba i Rambo tamin’ity vadiny ity ka izay no ZAFIRAMBO any Matetanana  izay taranaky RAMBO izay nanjaka ao Ikongo hatramin’izao.

Sady nipetraka tany Vohipeno i Rambo no nitondra fanjakana any Ikongo.

Hatramin’isika miteny izao dia tsy misaraka amin’i Antemoro-Anteony ao Vohipeno ny Zafirambo. Izy no lahimatoa ny fanjakana Antemoro izay taranaky Mpanjaka RAMAKARARO sy ANDRIAMAROHALA na RAMAROHALA  ao Fenovola-Ivato ao Matetanana hatramin’izao.

Ny faha 29 aprily 2018 dia nisy ny filankevitry ny ampanjaka tao Matetanana tao Ivato-Fenovola dia mbola tonga nilaza ny heviny tamin’izany ny ZAFIRAMBO taranaky Rambo avy any Ikongo niampy ny Zafirambo tao Ankily Vohitramba .

Hatramin’isika miteny izao dia mifandray tsy tapaka ny ampanjaka Anteony ao Ankily Vohitramba Matitanana Vohipeno sy ny ampanjaka Zafirambo avy ao Tanakamba sy Ambalagoavy ao Ikongo noho izy ireo mpirahalahy.

Ny mpanoratra dia ZAFIRAMBO avy ao Ankily Vohitramba Matetanana Vohipeno. Nitondra ny tantara fohifohy izay heveriny fa tsara ho fantatra ihany eo anatrehan’ny zava-misy ankehitriny amin’ny fifandroritan’ny olona sasany mahakasika an’Ikongo ankehitriny. Tsy tompon’ny fanapahan-kevitra satria anjaran’ny fanjakana ny fanapahankevitra amin’izany. Milaza ny heviny toa ny rehetra ihany koa noho ny maha zava-dehibe ity raharaha ity.

Mazava ny fanapahan-kevitry ny fanjakana hatramin’izao ka tiana ihany no mizara ny zavatra fantany izay mahalala.

Jesy Rabelaolao

Lire aussi