La Gazette de la grande ile

NY TSARA HO FANTATRA MOMBA NY ANDROBE (Fizarana faha 6)

Publié le 23 septembre 2020

17 – Amin’ny maha « Neuropsychiatre » anao, inona no toro-hevitra avy aminao ho an’ny vehivavy voan’ny androbe nefa te-hanan-jaza ?

Alohan’ny hanapahan-kevitra fa hanan-jaza dia tokony hanantona mpitsabo matihanina ny vehivavy manana io aretina io. Ny dokotera (neurologue) miara-miasa amin’ny mpitsabo mpampivelona (gynécologue-obstétricien) no mandanjalanja ny maha-mety na tsia ny fitondrana vohoka na ho an’ny reny na ho an’ny zaza vao miforona. Ankoatra ny fanadihadiana ara-medikaly, dia tontosaina koa ny fitsapàna sy ny fizahàna ara-pahasalamana manaraka programa maty paika.

Misy krizy sasan-tsasany sy ambaratongan’ny soritr’aretina mety ampihemotra ny fitondrana vohoka. Misy fanafody sasany fitsaboana ny androbe tsy azo omena ny vehivavy mitondra vohoka. Ny fitondrana vohoka nefa dia tranga manokana hafa mihitsy ka tokony ho arahim-maso mitokana. Ny tanjona ho an’ny mpitsabo (Neurologue) dia ny fampiasana fanafodin’androbe mandaitra nefa amin’ny daozy faran’izay ambany. Eo no ilàna fatra manara-penitra amin’ny rà (dosage sanguin) alohan’ny hanomezana fanafody. Izany dia miankina amin’ny fahafaha-manao sy ny enti-manana an’ny marary. Matetika dia misy fitsaboana hafa atao miara-dàlana mba hisorohana izay mety ho vokany ratsy na mety hitarika fahasamponana ho an’ny zazarano vokatry ny fampiasana fanafody fitsaboana ny androbe.

Tena zava-dehibe tsy azo hodian-tsy hita ny fanaovana fizahàna amin’ny alalàna’ny ekografia im-betsaka mandritra ny dingana rehetra eo amin’ny fitombohan’ny zaza am-bohoka mba hisorohana ny tsy fahalavorariana.

18 – Tokony hanaraka fombam-piainana ara-pahasalamana manokana ve ny olona voan’ny androbe ?

Ny androbe dia vokatry ny hetsi-kerin’aratra tsy araka ny tokony ho izy ao anaty ati-doha na vokatr’izay rehetra mety manakorontana ny sela mpitatitra ka mitarika ny fihetsehan’ny krizy. Anisan’ny antony manamora ny trangan’ny krizy, dia voalohany indrindra ny tsy fihinanana fanafodin’androbe indray mandeha na imbetsaka. Ny fihinanana fanafody izany dia tokony ho lasa fomba aman-panao mahazatra an-davanandro. Ny tsy fahampian’ny tori-maso, indrindra fa raha miverimberina dia vao mainka manakorontana be ny fifandanjana misy eo anivon’ny neronina. Ny zavatra rehetra rehefa tafahoatra dia mety miteraka krizy ho an’ny olona voan’ny androbe. Mety mifanampy ny korontana samihafa ka vao mainka manaratsy ny fahasalamàna. Toy izany ny fihetseham-po diso tafahoatra (alahelo, hafaliana, fahatezerana…) na koa ny fisotroan-toaka, ny fandraisana zava-mahadomelina sy ny fanafody sasan-tsasany. Ny marary koa dia samy manana ny mampiavaka azy ka mety misy toe-javatra manokana mora mampihetsika ny kriziny. Anjaran’ny manodidina azy no manampy sy manazava aminy fa tokony ho lanjalanjainy na foanany mihitsy izay rehetra antony mety hitarika any amin’ny krizy, ary izy tenany koa moa dia tokony ho tonga saina amin’ny zavatra ataony. Indreto misy ohatra vitsivitsy amin’ireo antony marobe mety hitarika any amin’ny krizy : ny tabataba be, ny fahazavàna sasan-tsasany maharitra na tsia, ny fijerena « écran » ny telefona, « tablette », ny fanaovana jeux amin’ny solo-saina na koa ny fijerena fahita-lavitra.

Nangonin’i Tatiana

Lire aussi