La Gazette de la grande ile

Tolokevitry ny CENI : Hatao mandritra ny herintaona ny propagandy mialoha ny fotoana

Publié le 24 septembre 2020

Mety hisy fanovana indray ny fehezan-dalàna mifehy ny fifidianana eto amintsika, alohan’ny hirosoana amin’ny fifidianana filoham-pirenena, amin’ny taona 2023. Nanatanteraka fivoriana niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny antoko politika ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI), omaly. Tanjona tamin’io fivoriana io ny fampahafantarana ireo tolokevitra novolavolain’ny CENI mba afahana manatsara ny fifidianana eto amin’ny firenena. Mazava ho azy fa ireo fehezan-dalàna mifehy ny fifidianana no tena voakasika amin’izany fanatsarana izany. Araka ny fanazavana nomen’i Fano Rakotondrazaka, mpampakateny eo anivon’ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana, dia ny tolokevitra naroson’ireo fikambanana firaisamonim-pirenena mpanara-maso ny fifidianana sy ireo antoko politika no naravona tao anaty antontan-kevitra iray. Tsara ny manamarika fa aorian’ny fifidianana iray atao eto amin’ny firenena dia misy hatrany ny tolokevitra haroson’ireo mpanara-maso ny fifidianana, na ny eto an-toerana na ny avy any ampitandranomasina mba hafahana manatsara izay tontolon’ny fifidianana izay. Tsy ho voatanisa daholo moa ireo soson-kevitra naravon’ny CENI fa ohatra vitsivitsy no nomen’ny mpampakateny Fano Rakotondrazaka. Tolokevitra iray heverina fa zava-dehibe ohatra ny fahafahan’ny antoko na mpanao politika manao ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana (pré-campagne), herintaona alohan’ny fifidianana. Tsy nofaritan’ny mpampakatenin’ny CENI mazava moa ny tena dikan’ity hoe fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana ity, mbola tolokevitra rahateo koa no haroso ka tsy maintsy mbola hisy ny dinika hatao sy famolavolana andin-dalàna vaovao raha hampiharina eto amin’ny firenena izany. Hatramin’izay tokoa mantsy, rehefa manakaiky ny fotoana hanaovana ny fifidianana dia miteraka ady hevitra hatrany ny momba izay fifidianana mialoha ny fotoana izay. Samy manao izay danin’ny kibony ireo kandidà ka tsy fantatra intsony hoe efa propagandy ve no ataony sa inona. Manoloana izany indrindra, mihevitra ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana, araka ny soson-kevitra voarain’izy ireo fa tokony hapetraka mazava ny lalàna mamaritra izay fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana izay. Ankaotra io, isan’ny tolokevitra haroson’ny CENI ihany koa ny famerenana ny antoka ho an’ireo kandidà mahazo ny salan’isa mihoatra ny 5 isan-jato raha toa ka 10 isan-jato foana izany teo aloha. Tsara marihana ihany fa fanomezana tolokevitra ihany no azon’ny CENI hatao fa anjaran’ny governemanta no mamoaka ny volovalon-dalàna mifanaraka amin’izany, ary ireo parlemantera no mandany azy na tsia.

F.Tsihiavonana

Lire aussi