La Gazette de la grande ile

Joel Randriamandranto : Miharihary ny tsy fahombiazana

Publié le 20 octobre 2020

Iray tamin’ireo minisitra mbola voatazona tamin’ny fanovana governemanta farany, tamin’ny volana janoary lasa teo ny minisitry ny fitaterana, ny fizahantany ary ny famantarana ny toetrandro, Joel Randriamandranto. Nanaitra ny mpanara-baovao maro io fanapahan-kevitra noraisin’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra io satria ny rehetra dia samy nahita fa isan’ireo minisitra tsy nahomby indrindra ingahy Joel Randriamandranto, tao anatin’ny herintaona voalohany nitondran’i Andry Rajoelina. Tsara marihana fa fanamby nataon’ity minisitra ity tamin’ny fotoana nandraisany ny fitantanana ny ministera ny fampitomboana ny isan’ireo mpizahantany vahiny tonga eto Madagasikara, araka ny veliranon’ny filoham-pirenena. Raha ny atontan’isa anefa no jerena dia tsy izany velively ny zava-nisy teo amin’izay sehatry ny fizahantany izay. Toraka izany koa ny sehatry ny fitaterana an-tanety, tsy hita mihitsy ny fiovana nentin’i Joel Randriamandranto fa ny zava-misy omaly ihany no misy, ankehitriny. Raha ny fitaterana an’habakabaka kosa indray, tsy mahagaga raha tsy hankasitrahan’ireo mpiasa eo anivon’ny orinasa Sofitrans sy ny Air Madagasikara ity farany satria tsy vitany no nisakana ny tsindry ataon’ny Ravinala Airports amin’ireo orinasa malagasy maro samihafa misehatra eo amin’izay sehatry ny fitaterana izay. Isan’ny nanamarika ity taona 2020 ity moa ny fisian’ny valan’aretina Coronavirus izay tsy maintsy natrehan’i Madagasikara, nanomboka ny volana marsa lasa teo. Raha atao ny jery todika ny asa vitan’i Joel Randriamandranto, tao anatin’izay krizy ara-pahasalamana izay naharitra volana maro izay dia mbola hita miharihary ihany ny tsy fahombiazany. Tsara ny mampatsiahy fa ny sidina an’habakabaka avy any Frantsa niditra teto Madagasikara, tamin’ny volana marsa lasa teo no nampiditra ny tsimonkaretina Covid-19 teto Madagasikara. Tany amin’ny volana jolay indray, rehefa voatery namerina ny fihibohana ny fitondram-panjakana noho ny firongatry ny valan’aretina Coronavirus dia nilaza filoham-pirenena fa noho ireo Taxi-be niverina niasa no nampirongatra indray an’ity areti-mandringana ity teto amintsika. Iza moa no tompon’andraikitra voalohany amin’ny resaka fitateram-bahoaka fa ny minisitry ny fizahantany, ny fitaterana ary famantarana ny toetrandro. Niarahan’ny rehetra nahita ihany koa ireny savoritaka niseho teny amin’ny toby fiantsoanan’ny Taxi-brousse tamin’ny fanokafana ny zotra nasionaly, ny faran’ny volana aprily lasa teo. Ankehitriny kosa, na mbola manan-kery hatrany aza fepetra ara-pahasalamana amin’ireo fitateram-bahoaka miasa eto Andrenivohitra, dia hita mibaribary ny gaboraraka ataon’ireo Taxibe sasany. Mazava ho azy fa ingahy Joel Randriamandranto no tompon’andraikitra voalohany amin’izany zava-drehetra izany, ary manaporofo fa minisitra tsy mahomby ity farany kanefa dia mbola notazomin’i Andry Rajoelina ao anatin’ny governemanta.

F.Tsihiavonana

Lire aussi