La Gazette de la grande ile

Politika : Miady an-trano ny Mapar sy ny IRD

Publié le 13 novembre 2020

Inona no tena fifampifehezana sy ifampitondrana ao amin’ny antokon’ny fitondrana Andry Nirina Rajoelna izay mitondra an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao ity. Toa tsy misy fifampifehezana intsony ny antoko mpomba ny fanjakana ankehitriny. Nanaitra ny maro tokoa ny fahitana ny ady amin’ny tambazotra tserasera “facebook” izay nataon’i Rinah Rakotomanga izay tale ny serasera eny amin’ny repoblika sy ingahy Razafitsiandraofana Brunel izay filoha lefitry ny antenimierampirenena  avy any amin’ny faritanin’i Fianarantsoa. Raha mbola misy ny fifehezana sy ny fiarahamiasa ary ny fifanajana ao amin’ny antoko mpomba an’ingahy Rajoelina ity dia tsy tokony hanao ireny serasera ireny izy ireo. Sady mahamenatra ny zavatra hita tany amin’ny “facebook” no tsy mendrika velively ny antokon’ny mpitondra fitondrana toa izao. Azo lazaina fa fanomezana vahana ny mpanohitra ny zavatra nitranga iny.

Tsy iny raharaha iny ihany no olana ao amin’ity antokon’ny fitondrana ity fa ny raharaha tany Ampanihy izay fangatahana nataon’ingahy depiote Idealson ny hahazoan’iny distrika iny faritra vaovao. Avy hatrany dia namaly ny tsy fankatoavana izany ny depiote ny avy any Benenitra izay IDR (Isika rehetra miaraka amin’i Rajoelina). Tena hita fa tsy misy fifandrindrana ny antoko ary samy mandeha samy mitady izy mianakavy.

Tsy izay ihany fa ny any Ambositra koa dia niady an-trano ny samy mpiara mitolona momba ny fitondrana ka vokatr’izany dia tara vao notendrena ny governora.

Mandeha dia mandeha koa ny resaka ao amin’ny antenimierampirenena ao fa misy ny depiote izay mieritreritra fa hanongana an’ i Razanamahasoa Christine sy birao miaraka aminy. Asa na mifandray amin’izany ny tenin’i Rinah Rakotomanga izay mangizingizina fa hanala an’ingahy Brunel amin’ny toerany.

Tsy izany ihany fa mbola resaka be eny anivon’ny antenimierampirenena koa ny resaka mahakasika ny fikasana izay hataon’ny depiote IRD hanao fanonganana ny praiminisitra Ntsay Christian satria hono tsy mety manome fiara 4X4 ny depiote.

Izany no ilazana fa miady an-trano ny antokon’ny mpitondra. Ratsy dia ratsy hoan’ny firenena izao fomba ataon’ny mpomba ny fanjakana izao. Rava ho azy ny firenena miady an-trano.

Jesy Rabelaolao

Lire aussi