La Gazette de la grande ile

INTY SY NDAY : Tsy mety vizaka mampijaly vahoaka

Publié le 13 novembre 2020

Miezaka ny tsy hiresaka momba ny orin’asa Jirama sy ny asa tolotra omeny ihany izahay fa tena tsy zakan’ny fandeferana sy ny fikombonam-bava intsony e!. Mety hisy hanome tsiny anay hoe “tsy mieritreritra sy tsy mijery ny ezaka ataon’ny Jirama”. Eny tompoko. Tsy maninona fa omeo tsiny izahay fa ny iainan’ny rehetra aloha izao, na mpanjifa tsotra isan-tokantrano na mpanjifa any amin’ireny orin’asa isan-karazany ireny dia “tsy mety vizaka mampijaly vahoaka ny Jirama”. Tsy ny famatsiana herin’aratra ihany no ahitana izany fa hatramin’ny famatsiana rano fisotro koa. Ivelezana daba manerana ny tanàna anefa, na andrenivohitra na ambanivohitra, ny fanentanana ny tokony hampiasana rano fisotro madio”, fa toa mandatsa sy maneso ny vahoaka ny Jirama amin’izany, ary tsy mihetsi-bolo-maso akory ry zareo raha mandre ny fikaikaikan’ny mpanjifa. Ny herin’aratra indray, efa vondrom-barotra tsy miankina amin’ny fanjakana ny ankamaroan’ny mpiantoka ny herin’aratra aparitaky ny Jirama ho an’ny mpanjifa azy fa vao mainka mampahory. Tapaka lava sady maharitra. Ny mpanaraka ny lalao baolina kitran’ny Barea sy ny Ivoariana tamin’ny fahitalavitra izao alina dia maro ny faritra tsy afaka nanaraka izany satria tapaka ny herin’aratry ny Jirama. Tamin’ny alarobia hariva koa, nanomboka tamin’ny 7 ora sy 25 minitra teo, dia tapaka ny herin’aratry ny Jirama tamin’ny faritra maro, efa antsasak’adiny mahery. Ao anatin’izany rehetra izany, iza no tsy mikaikaika fa ny saran’ny Faktioran’ny Jirama no lafo indrindra, raha miohatra amin’ny saran’ny herin’aratra sy rano amin’ny firenena rehetra maneran-tany? Ny sandam-bola Malagasy anefa mitotongana be ka mitarika ny fahambanian’ny fahafaha-mividin’ny mpanjifa! Ny fijalian’ny mpanjifa raha mba tratra aoriana roa andro monja ny fanefana ny saran’ny faktiora moa dia tena tsy hita fariparitana. Mba mirehareha ny ao amin’ny filankevi-pitondrana (Conseil d’administration) sy ny foibem-pitantanana (direction générale) amin’ity Jirama ity fa tena manana vahaolana sy teti-panarenana, fa vao mainka miharatsy. Dia nambara koa izao fa hisy ny fanavaozana ny mpikambana mandrafitra ny filankevi-pitondrana. Tsy maninona avokoa izay vahaolana na fepetra raisinareo ka hilazanareo ny ho fanavaozana ny Jirama fa ny fantatry ny rehetra dia “tsy mety vizaka amin’ny fampijaliana vahoaka” ny Jirama. Amin’ny fotoana ijalian’ny vahoaka amin’ny afitsoky ny orin’asam-panjakana toa izao tokoa no mahatonga ny olona sasany hieritreritra hoe “sao mba tsara ihany kosa àry ny hivarotana ho an’ny tsy miankina ny orin’asa iankinan’ny aim-bahoaka toa itony Jirama itony?”. Tsy omen-tsiny izay manan-kevitra ny amin’izay, saingy heverina fa adidy koa ny manipika fa izay indrindra no tanjon’ny tompon’andraikitra sasany, na ara-panjakana na ao amin’itony orin’asa itony, nefa dia tena tsy vahaolana izany fa vao mainka ho loza ho an’ny firenena. Raha misy olona na vondrom-barotra tsy miankina afaka mampahomby ny fanarenana ny Jirama sy manome fahafaham-po ny mpanjifa sy ny vahoaka amin’ny ankapobeny, dia satrotra ny tsy hieritreritra hoe “nahoana no tsy ho vitan’ny fanjakana ny manarina sy manatsara ary manome vokatra tsara ny vahoaka avy amin’ny Jirama?” Mbola tetiky ny mpampanjana-bola iraisampirenena avokoa izany fitakiana na ny hivarotana ny Jirama amin’ny tsy mianakina izany.

Ralay

Lire aussi