La Gazette de la grande ile

KOLO ANAKA : NY HAVIZANANA HATRAMIN’NY FAHARERAHAN-TSAINA (Fizarana 10)

Publié le 02 décembre 2020

23- Dr Raharison , misy zavatra hafa mety manakorontana ny torimaso ve ?

Ny aretina koa dia anisan’ireo toe-javatra mahatonga fiovana eo amin’ny kalitaon’ny torimaso. Tsy azo lavina fa rehefa misy olana ara-pahasalamana dia tsy milamina ny saina ary mazava ho azy fa tsy tomombana ny torimaso. Misongadina izany eo amin’ny aretina mahakasika ny taovam-pisefona, ny alerzia, ny « apnées du sommeil » izay misy fiatoan’ny fisefona mandritry ny segondra maromaro ao anaty torimaso. Taitra matetika ilay olona ary sempotra ihany koa. Io dia mahatonga fihenan’ny oksizena tonga any amin’ny ati-doha. Izany dia mety miteraka fahavoazana lehibe eo amin’ny atidoha sy ny fomba fiasany, ohatra amin’izany ny fahatapahan’ny lalan-drà (AVC). Afaka ambara ihany koa fa misy fiantraikany amin’ny torimaso ny olan’ny taovam-pihinanana toy ny fiverenan’ny sakafo efa natelina rehefa matory mitsotra iny ilay olona. Izany dia mahatonga asidra  mamaivay any amin’ny lalan-kanina miakatra any amin’ny tenda ary mety sondrovaka ilay olona satria lasa any amin’ny lalan-drivotra io asidra io. Izany dia mety miafara pnemonia. Ao koa ireo aretina mitaiza isan-karazany na amin’ny loha, vatana, ratsana na amin’ny vanintaolana, izay mitarika fanaintainana ka manakana ny fatoriana.

24- Ary misy zavatra ivelan’ny vatana mety manakorontana ny torimaso ve ?

Misy dia misy tokoa ka anisan’izany ireo zavatra hohanintsika na fampiasantsika ka na ho ela na ho haingana dia mety misy fiantraikany amin’ny torimaso. Ao ny nikotina ao anaty sigara izay manimba ny kalitaon’ny torimaso ka mahatonga ny olona hierotra sy ho taitra matetitetika. Hita porofo amin’ny fizahana ny atidoha amin’ny « electroencéphalogramme » izany zavatra izany. Toy izany koa ny paraky izay mety mitarika fiatoan’ny fisefona mandritry ny segondra maromaro ao anaty torimaso araka izay voalaza etsy ambony. Ao koa ny fisotroana alikaola izay mamitaka satria mahatonga ny olona ho rendremana nefa manimba ny kalitaon’ny torimaso ary indrindra amin’ ilay antsoina hoe « sommeil paradoxal ». Io vanim-potoana io dia anisan’ny manan-danja tokoa raha ny torimaso no resahina. Eo manko no fotoana tena hialan’ny vatana sasatra sady miandraikitra ny fisian’ny nofy sy mampisy ny fitadidiana eo amin’ny olona ary indrindra eo amin’ny ankizy sy ny adolantsento. Ny fiantraikan’ny fisotroana kafe indray dia toy izao : ela vao tonga ny torimaso, na misy aza dia maivana izy io, ary koa tapatapaka. Farany, rehefa manao fanatanjahan-tena ny hariva dia miakatra ny hafanan’ny vatana ka mahatara ny fahatongavan’ny torimaso. Tsara ho marihina fa mitovy amin’izany koa ny fiantraikan’ny « lumières bleues », azo adika hoe taratra manga avoakan’ny « écran » amin’ny « smartphone, tablette » sy ny fahitalavitra ka miantraika eo amin’ny maso ka tonga any amin’ny fanelingelenana ny filaminan’ny atidoantsika. Amporisihina noho izany ny olona mba tsy hampiasa ireo fitaovana ireo adiny 2 ora fara-fahakeliny alohan’ny ora fatoriana. Ny anton’ireo fanazavana ireo dia satria lasa olana lehibe mihitsy ara-pahasalamana ny tsy fahitan-tory sy ny fikorontanan’ny torimaso aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana toa antsika.  Voamarina io tranga io araka ny antontan’isa navoakan’ny OMS (Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana) tamin’ny taona 2013 izay milaza fa olon-dehibe miisa 150 tapitrisa no mitaraina vokatry ny fikorontanan’ny torimaso. Sahalan’isa efa mifanahantsahana amin’ny tranga any Eoropa izany voalaza izany. Azo tsoahina amin’izany fa raha ny torimaso no tsy ampy na atao tsinontsinona, na koa ratsy kalitao dia amin’ny farany mitarika faharerahana aloha ary raha mitohy dia tonga any amin’ny aretina maro isan-karazany.

Nangonin’i Tatiana (hitohy)

Lire aussi