Publié le 08 décembre 2020
Velon-taraina ny mpanjifa maro amin’ny afitsoky ny Jirama. Tsy ny fahatapatapahan’ny herin’aratry ny Jirama na ny fahatapahan-drano ihany fa hatramin’ny fitondran-tena faran’ny bitika dia tena mampikolay.
Fianakaviana iray eny Ambohitrimanjaka eny no nifanaraka tamin’ny Jirama fa hampidirana herin’aratra. Efa an-taonany izao. Tamin’izany dia andrin-jiro vita amin’ny simenitra (Beton) no hitarihana izany herin’aratra izany mankao amin’ny tokantranon’ity fianakaviana ity. Nilaza anefa taty aoriana ny Jirama fa andrin-jiro hazo no misy. Ny sandan’ilay andrin-jiro vita simenitra anefa efa naloa. Ambany lavitra noho ny sandan’ny andrin-jiro “beton” ny sandan’ny andrin-jiro hazo. Dia nifampiraharaha tamin’ny Jirama ilay fianakaviana mba honerana izany ny elanelam-bidy satria tsy mitovy.
Avonavona no nasetrin’ny Jirama an’ilay resaka hoe “any amin’ny masoivohon’ny Jirama nandoavanao vola ianao mitaky an’izany fa tsy aty aminay”. Mampalahelo.
Renim-pianakaviana iray koa no tratry ny antsojain’ny Jirama. Handeha hanefa ny saran’ny faktiora’ny Jirama ity Renim-pianakaviana ity nefa dia nataon’ny Jirama maivana toy ny volom-borona, nefa tsy nifamaly taminy na nifanditra.
Mba mahaiza re manaja olona, ry Jirama, fa tonga amin’ilay fitenenana hoe “sady tsy mahay no tsy menatra”. Efa ampijalianareo Jirama amin’ny asa tolotra (service) tokony hisitrahany ny mpanjifa nefa dia mbola hosihosenareo ampaladia ny fanajana tokony omena ireo mpanjifa.
Rainisoa