La Gazette de la grande ile

Antenimierandoholona : Fombafomba fotsiny ihany ny fifidianana

Publié le 10 décembre 2020

Raha tsy misy ny antony tsy azo hanoharana dia rahampitso 11 desambara no hanatanterahana ny fifidianana loholona eto amintsika. Alina tamin’ny 12 ora no nifarana ny fe-potoana ahafahan’ireo kandidà rehetra mandresy lahatra ireo mpifidy vaventy eran’ny Nosy miisa 12465. Tsiahivina ihany fa tsy misy lisitra kandidà avy amin’ny antoko mpanohitra nilatsaka tamin’ity fifidianana senatera ity. Ankaotra ny antoko eo amin’ny fitondrana dia ny antoko MMM (Malagasy Miara Miainga) sy ny tsy miankina vitsy ihany no mandrotsaka kandidà amin’ny Faritany rehetra. Ny azo antoka aloha fa dia ho fombafomba fotsiny ihany ny latsa-bato hatao rahampitso satria tsy maintsy hivoaka mpandresy avokoa ny lisitra avy amin’ny antokom-panjakana. Ny zavatra hita mantsy, maro amin’ireo mpifidy vaventy avy amin’ny tsy miankina sy antoko politika hafa no fantatra fa manohana ireo kandidà miara-dia amin’ny filoha Andry Rajoelina, araka ny fanambarana nataon’izy ireo. Eny fa hatramin’ireo ben’ny tanàna sy mpanolotsaina monisipaly avy amin’ny antoko TIM aza dia maro no nilaza ho manohana ireo kandidàm-panjakana. Zavatra iray hita miharihary ihany koa tamin’ity fifidianana loholona ity dia mbola manjaka tanteraka ny resa-bola rehefa fifidianana, ary sakaizan’ny mpandresy sy ny mantanjaka avokoa ny ankamaroan’ireo olom-boafidy eto amin’ny firenena, izany hoe ny ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina monisipaly. Tsy miova ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara fa ny omaly tsy miova ihany. Eo anatrehan’izany rehetra izany anefa dia hita fa tsy taitra na liana amin’io fifidianana loholona ho tanterahina rahampitso io ny Malagasy. Ny ankamaroan’ny mponina aza tsy mahafantatra akory ny andro hanaovana ny fifidianana. Vitsy ihany koa no mahafantatra hoe iza daholo ireo mpifidy vaventy handatsa-bato amin’izany fifidianana senatera izany. Raha eo amin’ny lafiny fikarakarana sy ny lafiny teknika moa dia mbola nanamafy hatrany ny tompon’andraikitra eo anivon’ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana fa tomombona avokoa ny zava-drehetra, noho izany tsy misy hatahorana ny fanatanterahana ny latsa-bato.

F.Tsihiavonana

Lire aussi