La Gazette de la grande ile

INTY SY NDAY : Mbola tetika mpanjanatany hatrany !

Publié le 12 décembre 2020

Tamin’ny volana aogositra ny filohampirenena Rajoelina dia nandalo tany Nosy Be Hell Ville, ary rehefa nihaona tamin’ireo mpandraharaha ara-toekarena eo amin’ny sehatry ny fizahan-tany izy dia nanambara fa “amin’ny voalohan’ny volana oktobra no hosokafana ny seranam-piaramanidina eto Nosy Be mba handray ny fiaramanidina hitondra ireo mpizahantany avy any ivelany…” Dia nisokatra tokoa ny seranam-piaramanidina tamin’io 1 Oktobra io, ary tonga tany “nanabe tarehy” ny minisitry ny fizahantany, Joel Andriamandranto.

Tamin’ity volana desambra ity moa dia re fa tafakatra 90% ny olona mitondra ny tsimokaretina Covid 19 tany Antsiranana. Renay fa ireo mpizahatany avy any ivelany tonga tany Nosy Be dia tsy misy fetrany ny fahafahany mivezivezy hatrany Antsiranana na teo aza ny fepetra nambara talohan’ny nisokafan’ny seranam-piaramanidina fa tsy mahazo miala ao Nosy Be. Ny olona hafa koa tsy voasakana. Dia anjarantsika ny mamakafaka fa aminay dia manahirana ny fandehan’ny raharaha satria ny fiheveran’ny filohampirenena ka nanokafana ny seranam-piaramanidina tany Nosy Be dia noho ny fitarainan’ireo mpandraharaha sy ny mpiasa amin’ireny sehatry ny fizahantany ireny hoe “mijaly”. Ireo vahiny indray izany no tsy nanaja ny fepetra napetraky ny fitondram-panjakana. Mba Malagasy firy re no tena nahazo tombontsoa tamin’io fisokafan’ny fizahantany any Nosy Be io? Moa tsy efa vita famandrihana mialoha tany ampita tany  ny zavatra rehetra ka efa voarotsaka tany ny vola saran’izany zavatra rehetra izany? Dia ohatrinona sisa no mba nentin’izy ireny teto hatao vola an-tsikinana (argent de poche)? Mba firy isan-jaton’ireo vahiny tonga tao Nosy Be no mba nitaingina ny lakan’ny Malagasy nitety ranomasina tany, nividy ny asa tanan’ny malagasy, nividy mofo gasy sy ramanonaka, sy ny hafa? Sa fizahan-tany mamoafady (tourisme sexuel) no tena nafotaka?

Tamin’ity herinandro ity indray koa dia namory ny mpanao gazety ny vondron’ny mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fizahan-tany ao anatin’ny “Conféderation du Tourisme à Madagascar (CTM)”. Dia nitaky tamin’ny fanjakana koa ry zareo ny hanokafana tanteraka  ny fifandraisana an’habakabaka amin’ny any ivelany, ny handraisan’ny fanjakana na ny mpanohana ara-tekinika an-tanana ny fandoavana ny faktioran’ny Jirama nandritry ny telo volana voalohany sy faharoa amin’ity taona 2020 ity, ny handraisan’ny fanjakana an-tanana ny fanefana ny volan’ny mpiasa any amin’ny CNAPS, ny hanitarana ny “chômage technique” sy ny hanohanana ara-bola avy amin’ny fanjakana momba izany…. sy ny maro tsy ho voatanisa e!

Ny vontoatin’ny fitakiana aloha dia azo iadian-kevitra tsara fa ny toe-tsaina entin’izy ireo mitaky no tsy azo ikombonam-bava ka isarihana ny fisainan’ny tompon’andraiki-panjakana. Raha atao ny fanadihadiana dia saika ny vahiny avokoa no mitana ny ampahany betsaka amin’ireo seha-pandraharahana ara-pizahan-tany eto. Raha vantanina dia ny trano fandraisam-bahiny, ka misy fifandraisan-tendro na fifamatorana amin’izy ireo, izay samy vahiny, ny misahana ny fiara fitaterana, sy ny toerana hitsangatsanganana rehetra….

Mbola tetika mpanjanatany ihany koa izany re, tompoko, fa aza sodoka ianareo e! Manahy ny mpitazana sao vao mahita ny mpitondra fanjakana hoe “vahiny” mpampiasa vola dia hipararetra ka hanome azy ireo ny fitakiany. Azafady kosa e! Manana ny teknisiana sy ny tompon’andraikitra manao ny fanadihadiana rehetra ny fanjakana ka aza terenareo. Any ampitan’ny ranomasina any angaha ianareo afaka miteny toa izao ataonareo eto izao? Fanitsakitsahana ny hasim-pirenena sy ny fiandrianam-bahoaka izao ary tena filazana fa eo ambany vahohonareo ny mpitondra fanjakana Malagasy ka mahaiza ihany miaina fa ny fahendrena Malagasy dia manipika hoe “raha tiana honenana ny tanin’Andriana dia tsy maintsy hajaina ny Satan’Andriana”.

Ralay

Lire aussi