La Gazette de la grande ile

Vaky fonja tany Farafangana : bola tsy hita ny 16 tamin’ireo gadra nitsoaka

Publié le 30 décembre 2020

Iray tamin’ireo trangam-piarahamonina nisongadina teto amintsika, tamin’ity taona 2020 ity, ny fahavakisan’ny fonja tao Farafangana, tamin’ny 23 aogositra. Tsiahivina fa gadra maherin’ny 80 isa no tafaporitsaka, tamin’io fotoana, ka ny 23 tamin’izy ireo no maty voatifitra tao anaty fifanenjehana, ary 48 kosa ireo efa voasambotra. Etsy ankilany, fantatra fa mbola misy 16 tamin’ireo gadra tafatsoaka no tsy mbola hita ka karohina fatratra, efa-bolana aty aorian’ny nahavakisan’ny fonja. Ny ankamaroan’ireo gadra mbola karohina ireo anefa dia saika olona nahavita heloka bevava avokoa. Nandray fepetra avy hatrany moa ny fandrarahana ny fonja rehefa niseho ny raharaha, anisan’izany ny famindrana toerana ny ampahany amin’ireo voafonja satria efa be loatra ny isan’izy ireo. Tsara tsipihana fa nampiaka-peo tamin’ity raharaha ity ny fikambanana mpiaro ny zon’olombelona maromaro eto an-toerana sy avy any ivelany toa ny Amnesty International. Ireto farany izay nangataka ny hanokafana fanadihadiana lalina satria mihevitra izy ireo fa nisy ny tsy fanajana ny zon’olombelona avy amin’ireo mpitandro filaminana nanenjika ireo voafonja. Efa-bolana aty aoriana, tsy fantatra ny tohin’ny raharaha fa ny azo antoka aloha dia tsy nisy mpitandro filaminana niakatra fitsarana na voasazy. Marihana fa tsy tao Farafangana ihany no nisehoana fonja vaky, tamin’ity taona ity, fa nitrangan’izany koa tany Arivonimamo, ny 29 aprily.

F.Tsihiavonana

Lire aussi