La Gazette de la grande ile

PEM : Vokatra azo tsapain-tanana no andrasan’ny vahoaka

Publié le 02 janvier 2021

Isan’ny hampiavaka an’iny taona 2021 iny ny tsy fisian’ny lanonana fiarahabana ny fahatratrarana ny taona vaovao eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha izay fanao isan-taona. Araka ny fampitam-baovao nataon’ny governemanta dia ny famelabelarana ny PEM na ny “Plan Emergence Madagascar” hataon’ny filoham-pirenena no hisolo izany lanonana fifampiarahabana izany. Mazava ho azy fa fampahafantarana ny progaraman’asan’ny fitondram-panjakana ho tanterahina eto amin’ny firenena indray no hataon’ny filoha Andry Rajoelina, amin’io fotoana io. Tsy misy maharatsy izany satria fanaon’ny mpitondra eran’izao tontolo izao ny mampahafantatra ny politika hitondrana ny firenena, saingy ny tena andrasan’ny Malagasy, ankehitriny, dia mba tena vokatra azo tsapain-tanana no resahina satria efa leo ny fampanantenana paokaty ny vahoaka, ary izany no antony lehibe mahatonga ny olom-pirenena tsy hifidy intsony rehefa tonga ny fifidianana. Tsihiavina fa efa nanao famelabelarana tahaka izany ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina tamin’ilay hoe “Fisandratana 2030”, tsy nisy fiantraikany tany amin’ny vahoaka anefa izany ka ireny niarahan’ny rehetra nahita ireny ny vokatra azony tamin’ny fifidianana filoham-pirenena. Tsara ny manamarika fa teny manan-danja eran-tany ny “Emergence” na ny fisandratana fa tsy tenintenina foana akory. Ny firenena antsoina atao hoe “misandratra”, amin’izao vanim-potoana izao, dia firenena hita miharihary fa miha mandroso, na eo amin’ny lafiny toekarena na eo amin’ny lafiny sôsialy. Raha ny aty amin’ny kaontinanta afrikanina ohatra, dia i Afrika Atsimo, Ethiopie, Rwanda, Ghana, Sénégal ary ireo firenena maghrebianina no azo antsoina hoe firenena misandratra. Midika izany fa raha te ho sokajiana ho isan’ireo firenena misandratra ihany koa i Madagasikara, dia tokony ho hita taratra ihany koa ny fandrosoana fa tsy hatao resabe na fampielezan-kevitra fotsiny.

F.Tsihiavonana

Lire aussi