La Gazette de la grande ile

Politika : Mpangalatra, mpangalatra, mpangalatra!

Publié le 02 janvier 2021

Feno mpangalatra ny firenena . Tsy misy intsony izany olona madio izany amin’izao fotoana izao. Raha vao miresaka ny olona roa na telo izay mifankahita dia tsy misy resaka raha tsy ny ahitana zavatra hangalarina. Mody ovaovaina ny fomba filazana azy amin’izao fotoana izao ka ny sasany milaza azy fa “bizina”, ny ankilany miteny hoe “aferafera”. Amin’ny fomba ofisialy dia antsoina hoe “Kolikoly” ny fomba fangalarana amin’izao andro iainan-tsika izao.

Ireo rehetra ireo no endrikin’ny fiarahamonina misy ankehitriny. Izay mahay mangalatra ihany no tafa. Ny vendrana sy ny dondrona rehetra dia miaina amin’ny fahamarinana sy ny hintsimpo. Raha te-hanan-karena haingana dia mangalatra no atao ary dia lasa môdely amin’ny fiarahamonina mihitsy izany.

Ny mpanao politika no tena mpangalatra amin’izao fotoana izao satria izy ireo no be dia be indrindra no manao kolikoly sy manodinkodina volam-bahoaka. Tsy vitan’izany ihany fa sady mampiana-dratsy ny vahoaka koa izy ireny amin’ny aferafera sy ny fanodinkodinanan saimbahoaka ary ny fangalarana  volam-panjakana. Izany no mpanao politika ankehitriny ka ilazana fa mpangalatra izy ireny. Ny fizaram-bola amin’ny fifidianana izay nahazoana vatobe ka nanararaotana ny fahantran’ny vahoaka amin’izao fotoana izao no atao hoe halatra any amin’ny fifidianana. Dia ireny niarahana nahita ireny ny zavatra nitranga teto amin’ny firenena nandritry ireny fotoana ireny fa samy nangalatra avokoa ny mpanao politika rehetra fa izay nanana volabe ihany no tafavoaka. Samy nizara vola sy nanome fanomezana isan-karazana izy rehetra ireny fa izay nanana betsaka kokoa no lanin’ny olona. Io no antsoina hoe “demôkrasian’ny be vola” Endrikin’ny kolikoly sy ny halatra avokoa ireny nefa dia eken’ny Malagasy.

Eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana indray dia tsy hay tenenina intsony ny halatra eto amin’ity firenena ity. Tsy zoviana amin’isika Malagasy ny fanodinkodinana ny volam-panjakana ataon’ireo mpitondra ambony sy mpiasam-panjakana ambony. Halatra tsy misy toa izany no manerana ny ministera maro. Ireo mpikirakira volam-panjakana toa ny minisitra sy ny tale jeneraly ary ny tale maro isan-karazany no lazaina amin’izany. Mangalatra avokoa ny ankamaroan’izy ireny. Porofo mitohoka amin’ny tendany ny raharaha ataon’ny PAC (fitsarana manokana miady amin’ny kolikoly), izay ahitana ny maloto ataon’ireo mpitantana ambony ireo. Misy maro no efa migadra ary mbola be dia be koa no mbola handalo eny amin’ity fitsarana ity.

Mpangalatra ny ankamaroan’ny minisitra sy mpitantana ambony, porofon’izany ny raharaha mikasika ireo minisitra maromaro izay manana “dossiers” fitoriana amin’ny HCJ (Fitsarana avo) ary mandalo any amin’ny depiote ankehitriny; Afera maloto tamin’ny fotoana nitondrany avokoa no hiampangana azy ireny. Mpangalatra amin’ny fomba mihaja hoy ny fitenenana.

Ny depiote izay mandinika sy manapan-kevitra amin’ny fandefasana ny raharaha ity amin’ny HCJ toa ahitana endrika tsy mazava koa ary misaritsarin’ny kolikoly. Mbola azo lazaina fa fangalarana koa izany. Na izy samy izy ao amin’ny antenimierampirenena ao aza dia mifampiahiahy tanteraka amin’ity raharaha ity. Halatra amin’ny fomba hafa indray io satria efa ambonimbony ihany ny toerana misy azy.

Ankoatran’ireo rehetra ireo dia feno olona Antanimora sy Tsiafahy ary ny fonja manerana ny Nosy noho ny halatra. Tsy omby intsony izy ireny ary voatery tsy maintsy manangana fonja vaovao ny fanjakana amin’izao fotoana izao fa be loatra ny mpangalatra eto Madagasikara. Miainga hatrany amin’ny halabotry izany ka hatramin’ny fanodinkodinana ny fananana sy ny volam-panjakana.

Mpangalatra, mpangalatra ary mpangalatra no betsaka eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Mpangalatra omby, mpanao “kidnapping” na mpangalatra olona, mpamaky trano, mpanendaka, mpangaro-paosy, mpanao sintomahery, ary indrindra fa mpisoloky sy mpanao kolikoly sy risoroso. Izany no môdely ny fiarahamonina amin’izao fotoana izao. Hatrany amin’ny mpitondra fanjakana izany ka tonga hatrany amin’ny olona faran’izay madinika.

Raha mbola tsy hiova izao fomba sy fotom-pisainana izao dia aza manantena fiovana isika Malagasy na inona na inona hajoro sy hatsangana eto amin’ity firenena ity. Revin-gadra no sisa misy eto.

 Manaova fetin’ny faran’ny taona 2020 sambatra ary ho tratrin’ny taona vaovao 2021 soamantsara isika rehetra.

Jesy Rabelaolao

Lire aussi