La Gazette de la grande ile

INTY SY NDAY : Avalony any !

Publié le 02 janvier 2021

Hanara-dia any amin’ny diarin’ny tantaran’ny zanak’olombelona toa ireo taona rehetra efa dila manomboka amin’ny misasak’alina ny taona 2020. Maro ny zava-nitranga, saingy raha mitaha amin’ny zava-nisy tamin’ireo taona hafa dia vitsy no nanamarika ity taona ity. Ny aretina coronavirus no tena nandrakotra ny androatokon’ny taona 2020. Hatramin’izao aza moa dia tsy mbola afa-bela ny zanak’olombelona amin’izy io.

Resaka resaka fa tena nitaintaina tamin’izy io ny maro e. Ndeha tsy hotenenina hoe “ny rehetra” fa tsy “ny maro”. Nisy tokoa mantsy ireo tsy nivaky loha tamin’izy io fa ny ankamaroany dia nitaintaina, ary tsy maintsy niezaka nandray ny fepetra, nanaja ny toro-marika ho fisakanana ny tsy hahazoan’io aretina io.

Tena nampitondra faisana io aretina io, ary tsy ny aretina ihany no namely fa ny vaikan’ny fihanahan’izy io koa, dia ny fihariana ankapobzeny noho ny fepetra tsy maintsy noraisina. Ny fihibohana io. Niteraka akony ratsy teo amin’ny fiainana andavanandron’ny vahoaka koa na ny lafiny sosialy izany. Ny fampianarana manokana dia somary nanalasala ny fandehany. Nisondrotra fotsiny tamin’ny kilasiny ny ankizy fa ny fandaharam-potoana kely mba vita no nitarafana ny fahaizany. Ilàna ezaka manokana io amin’izao taom-pianarana izao satria sarotra ny hahavitana mameno ny banga 100% fa ny fandaharam-potoana tsy vita no tokony homena amin’ny ankapobeny, mba tsy hiantona toy ny eny amin’ny habakabaka ilay fahaizana satria misy fahabangana.

Ny fihariana eo amin’ny tontolo ara-toekarena koa, hoy isika, eo aloha, dia nizaka ny tsy eran’ny aina.

Raha mitodika ny zava-nisy nandritra ity taona 2020 ity isika dia te hiteny hoe “avalony any”. Misy aloha, ary goavana indrindra, ny fitodihana amin’Andriamanitra. Na inona na inona ady hevitra, na inona na inona tsy mbola ahafahana manaporofo amin’ny zavatra mivaingana ny mety ho akon’ny fitahian’Andriamanitra, dia aoka samy hiaiky fa “io fitahian’Andriamanitra” io no isan’ny nitahy antsika ka mbola velon’aina, tra-pamonjena.

Tsy azo hamaivanina kosa anefa ny ezaky ny tsirairay, ny toro-marika sy toro-lalana avy amin’ny fitondram-panjakana, ny fampitan’ny teknisiana isan-tsehatra, indrindra fa ny dokotera mpitsabo ny  tokony harahina. Fa teo dia teo koa ny traikefa manokan’ny Malagasy, raha ny Malagasy manokana no asian-teny, dia ny fihazakazahan’ny rehetra nampiasa ravintsara, voasary makirana, sakamalaho, tongolo gasy, sy ny hafa tsy ho voatanisa.

Ny mety ho fanararaotan’ny “maty eritreritra” ny vanim-potoana nandritra iny taona 2020 nampiharana ny fepetran’ny hamehana ara-pahasalamana iny koa tsy azo hadinoina. Matetika dia ny tompon’andraikitra nampisahanina raharaham-panjakana no tena nanararaotra. Tsy ny rehetra kosa anefa fa ny vitsy tsy mahatsapa ny farany.

Avalony any avokoa izany e!

Saingy tokony ho loharano hanovozana traikefa koa anefa mba hahitana ny vahaolana mahomby indrindra hamahana ny olam-pianam-bahoaka iny tranga rehetra nandritra ny taona 2020 iny. Isan’izany ny tokony hampiiratra ny mason’ny mpitondra fanjakana foibe fa tsy ny fiankinan-doha amin’ny mpampanjana-bola iraisampirenena na ny fanomezana vahana ireo firenen-dehibe mpanani-bohitra mpangoron-karena intsony ny vahoalana izao. Toraka izany koa ny tsy maintsy ahatsapan’ny mpitondra fa tsy misy afa-tsy ny fitokisana ny herim-bahoaka sy ny fianteherana amin’ny harem-be ananantsika, miaraka amin’ny asa sy ezaky ny tsirairay eo anoloan’ny velaran-tany mahavokatra midadasika eto no tena vahaolana.

Samia ho tratry ny taona vaovao avokoa e!

Ralay

Lire aussi