La Gazette de la grande ile

Filoha lefitry ny CFM : «Lainga sy fifanalikana no manjaka eto»

Publié le 28 janvier 2021

Ny olom-pirenena mahay mandinika dia mahita sy mahatsapa avokoa fa miha-potika hatrany ny soatoavina sy ny kolontsaina maha Malagasy. Ahitàna taratra izany ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina eny, fa indrindra eo amin’ny tontolo politika izay efa tena mampiteny ny moana. Lasa fitaovana entina mamotika ny soatoavina sy ny kolontsaina malagasy ny serasera eto amintsika, ankehitriny, ary tsy tambazotran-tserasera sôsialy ihany fa hatramin’ny haino aman-jery izay tokony hitaiza sy hanabe ny olom-pirenena. Naneho ny heviny manoloana izany toe-java-misy eto amin’ny firenena izany ny filoha lefitry ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy (CFM), Ramamimampionona Gerard, ity farany izay milaza fa mampalahelo ary mamohehatra ny zava-miseho satria dia ny lainga sy ny fifanalikana sisa no manjaka eto Madagasikara, ankehitriny. “Lasa mankany amin’ny tsy tokony ho izy ny fampiasana ny serasera eto amin’ny firenena, amin’izao fotoana izao. Ny serasera dia natao hampifandray sy hampiombona ny mpiray tanindrazana, kanefa raha mijery ny zava-misy dia vao maika mampisara-bazana indray izany. Lasa fiantsiana, famafazana lainga ary fanalam-baraka olona indray no tena manjaka any anatin’ny fitaovan-tserasera, na haino aman-jery izany na tambazotra sôsialy. Serasera miabo no misy eto Madagasikara, ankehitriny, ary ny mampalahelo dia maro amin’ny Malagasy no mankasitraka izany”, hoy ny filoha lefitry ny CFM, Gerard Ramamimampionona. Mametra-panontaniana moa ity farany amin’ny hoe: “mbola misy olona tena Malagasy ve eto amin’ity Madagasikara sa tsy misy intsony?” Ny tena Malagasy mantsy, hoy izy, dia olona tsy mifanalika, tsy mifampiantsy fa mandala ny fihavanana sy ny firahalahina. Mifanohitra tanteraka amin’izany anefa ny zava-misy eto amin’ny firenena ary lasa vato misakana ho an’ny fampandrosoana, hoy hatrany ingahy Gerard Ramamimampionona.

F.Tsihiavonana

Lire aussi