La Gazette de la grande ile

Fiakatry ny vidim-piainana :Toa miala andraikitra ny minisitry ny fambolena 

Publié le 30 janvier 2021

Raha vao resahina ny kojakojam-piainana andavanandro dia ny vidiny matetika no mby an-tsaina. Raha vao resaka vidim-piainana no asian-teny dia ny varotra no tonga ao an’eritreritry ny rehetra. Tokony tsy hadinoina anefa fa ny varotra dia dingana farany amin’ny zotran’ny raharaham-piaraha-monina enti-miantoka ny filan’ny vahoaka. Raha ny tontolon’ny fototsakafon’ny Malagasy, dia ny vary, sy ny hanin-kotrana no asian-teny, ohatra, ka voaresaka ny vidin’ireo, dia toa ny ministeran’ny varotra no voakiana voalohany raha vao misy ny fiakaran’ny sandan’ireo. Tsy mba voateny mihitsy ny sehatra niandohan’ny entana raha ny vokatry ny fambolena, na vary na katsaka na mangahazo, na ovy, na vomanga… no firain’ny vava.

Ny dikan’izay, ilaina ny mahafantatra ny loharanon’ny raharaha iray fa tsy ny vokatra akory no mibaiko izany.

Raha tsara fikarakarana ny tontolon’ny fambolena, ohatra, dia tsy tokony misy olana loatra ny sehatry ny varotra.

Mbola ny raharaham-pambolena koa no miantoka ny akora ahodin’ny orin’asa indostrialy raha miresaka ny entana voahodina isika.

Tsy ny vary sy ny hanikotrana ihany no voakasik’izany raha ny raharaham-piaraha-monina ankapobeny sy ny filàna fototry ny olombelona no asian-teny fa ao koa ny voankazo sy ny anam-bazaha (legioma). Mbola iantsorohan’andraikitra amin’izany koa ny ministeran’ny fambolena.

Eny, na ny fiompiana izay miantoka ny omby, kisoa, akoho amam-borona, bitro, sy ny hafa aza, dia mbola eo ambany fiadidian’ny ministeran’ny fambolena sy fiompiana koa. Toraka izany koa ny tontolon’ny trondro, na hazandranomamy io na hazandranomasina. Ao anatin’io ministera io koa mantsy  ny misahana ny jono.

Tsy azo lalovam-potsiny fa volabe no azon’ny ministeran’ny fambolena sy fiompiana ary ny jono avy amin’ireo “andriamanitra kely ivavahana isa-maraina” dia ny “Mpiara-miombona antoka ara-bola sy ara-teknika” (Ptf). Mankaiza avokoa izany vola izany? Mahazo ny ampahany betsaka amin’izany ny sehatry ny fambolena. Sa lany anaovana seminera sy fiofanana (???) fa tsy misy tonga any amin’ireo sady mitatatra no mivoly farihy?

Io resaka vary mampikaikaika ny vahoaka io dia tsy azon’ny ministeran’ny fambolena ihodivirana ny andraikiny amin’io, ary aoka hotsorina fa misy lainga marivo tototra ihany ambaran-dry zareo na sanatriavin’ny vava, misy mamahan-dalitra amin’ny tena zava-misy amin’ireo ambaratongan-drafitra sy ny loharanom-baovaon’ny ministera.

Volana vitsy mantsy izay dia tany amîn’ny faritr’Alaotra ny minisitry ny fambolena, ary nanaka-danitra ny fanambarany fa “ho taona zina ity taom-pambolena ity”. Hatramin’izao anefa dia ampahany vitsy amin’ny velaran-tany famboly isa-taona any Alaotra no voavoly noho ny hain-tany. Dia tsy tsinjon’ny minisitry ny fambolena sy ireo teknisiana marobe miseho azy ho katrakatraka amin’ny fahaizana amam-pahalalana ao ve izany ?

Mba fantatry ny minisitry ny fambolena ve fa ny 80%-n’ny velaran-tany eto Madagasikara dia azo volena avokoa ary mahavokatra, nefa zara raha misy ny 10%-n’izany no voavoly ? Inona loatra ny antony ? Raha misy politikam-pirenena matotra momba ny fambolena anefa eto dia io tany volena io no voalohan-daharahan’ny paik’ady tokony nimasoan’ny ministeran’ny fambolena.

Tsarovy fa ny tantsaha Malagasy dia mazoto mamboly saingy noho ny sakana amin’io tontolon’ny tany volena io dia ny velaran-tany novolen’ny dadan’ny dadabeny tany amin’ny taona 1800 tany ihany no mbola volen’ny zafiafiny izay efa mananika ny zato aty amin’ny taon-jato faha-21.

Noho izany, raha resa-bary no asian-teny, raha ireo vokatra hanin-kotrana azo iantohana ny sakafon’ny vahoaka no resahina, dia tsy hisy fitoniana ara-piaraha-monina mihitsy eto raha ireo no tsy ampy. Tsy ho ampy manadrakizay anefa ireo raha mihalangalana lava ny ministeran’ny fambolena na manilika anadraikitra. Toraka izany koa ny fiompiana sy ny jono izay miantoka ny sakafon’ny vahoaka.

Mbola azo halalinina izany atsy ho atsy.

Rainisoa

 

Lire aussi