La Gazette de la grande ile

Krizy ankehitriny : Efa nampoizina fa any amin’ny mpitondra ny baolina

Publié le 17 février 2021

Ny olon-tsotra tsy zatra manao fanadihadiana sy famakafakana ny raharaham-pirenena ankapobeny ihany no mety ho gaga raha mitranga ny krizy ankehitriny. Nahoana izahay no miteny izany? Raha vao nitranga iny aretina coronavirus iny, na vao nanomboka aza ny teto amintsika saingy efa namely mafy tany ampita tany, indrindra tany amin’ireo firenen-dehibe, dia efa noresahintsika teto fa “tsy maintsy miditra amin’ny lamina vaovao ny raharaha maneran-tany izao tontolo izao”. Io ilay antsoinay hoe “Nouvel ordre mondial”. Tsy afaka ny hanantena hahita irika firy amin’izany anefa isika, hoy izahay teto, satria ny tombontsoan’ireo firenen-dehibe no tsy maintsy katsahina sy lohalaharana amin’izay fitadiavana vahaolana ao, ary ny firenena madinika toa antsika dia zary kofehy manara-panjaitra. Izay no nanipihanay teto tamin’izany fotoana fa “zara aza nisy izay fikorontanana ara-tsosialy maneran-tany noho ny aretina coronavirus izay mba hilaharan’ny firenena rehetra toy ny miara-miainga (depart zero) daholo, ka eo no ijerena ny hakingan’ny firenena tsirairay hoe “iza no ho tafarina haingana kokoa?”

Isika eto Madagasikara, hoy izahay dia tokony ho isan’ireo tafarina haingana raha manana ny hakingana sy mahatsapa ny halehiben’ny famaritana politikam-pirenena vaovao momba ny tontolom-pihariana ny fitondram-panjakana. Ny antony dia satria manana harena be tsy toko tsy forohina hiantohana an’izany fahafahantsika miarin-doha haingana izany isika. Tamin’izany izahay teto dia efa nanipika fa ny famokarana sakafo amin’ny alalan’ny fambolena no tokony himasoana haingana, fa sady mamorona asa io no miantoka ny sakafo ho an’ny vahoaka nefa dia kitro ifaharan’ny fampihodinana ny toekarem-pirenena amin’ny ankapobeny ao anatin’ny fotoana fohy nefa mateza roritina. Mitaky famaritana fomba fiasa sy politika matotra fotsiny io.

Ankehitriny àry dia izao iarahantsika mahafantatra sy miaina izao ny raharaha. Ny krisy sosialy aloha dia tena henjana ka mahatonga ny ankamaroan’ny olom-pirenena ho mikaikaika. Lasa voafatotra ho tompon’andraikitra ny fitondram-panjakana. Manaraka izany, izay tsy afa-misaraka aminy ny krizy ara-toekarena. Ianjadian’ny krizy sosialy manomboka amin’ny tantsaha ka na ny fototsakafony (vary) aza dia voatery manavo-dafo eny an-tsena ry zareo. Misy akony any amin’ny sehatr’asa isan-karazany izany. Ny fanjakana koa tsy tena mamaritra politikam-pirenena vaovao hanarenana ny toekarena fa zary mionona amin’ny fanatsarana ny voasoritra hatrizay, ka mbola miantehitra sy miankina be dia be amin’ny mpampanjana-bola iraisampirenena, dia ny Banky Mondialy sy ny FMI. Nirehaka aoka izany, ohatra ny mpitondra, fa hoe nankatoavin’ny FMI ny  tetik’adin’i Madagasikara momba ny fandaharan’asa ara-pampandrosoana ka hahazo 300 Tapitrisa dolara isika, izay tafiditra ao anatin’ilay antsoina hoe “Facilité elargie de Crédit = FEC).

Aleo vantanina ny resaka fa mbola ny lojikan’ny Banky Mondialy sy FMI hatramin’ny 1980 ihany io. Volakely varifitoventy no omeny anao dia voafatotra ianao, ka hatramin’ny vary harapaka any ambava no feran-dry zareo. Tsy lasa izany, nefa ny harenanao tereny homena azy ambongadiny (Ambatovy, QMM, Base Toliara, volamena, vatosoa, hazan-dranomasina…°)

Dia io fa araraotin’ny misora-tena ho mpanohitra ny toe-draharaha ka ikendren-dry zareo krizy politika io. Manampy tosika be ny mpanohitra amin’izao fotoana ny frantsay, satria tsy zakan’ny  mpanam-bola frantsay ny nitakian’ny filoha Rajoelina an’ireo Nosy Manodidina (Iles Eparses), ka nanosika ny Antenimierandoholona Frantsay nanangam-bovona. Tsy iza moa ireo Loholona Frantsay ireo fa saribakolin’ireo mpanani-bohitra sady mpandroba harena hatrizay aty amin’ny tany toa an’i Madagasikara (France Afrique).

Noho izany, tsy hoe hazavaina amin’ny vahoaka koa anefa izany dia afaka adidy ny mpitondra fanjakana. Tsia. Vao mainka mamatotra andraikitra ny mpitondra ny fitrangan’ny krizy sosialy sy krizy ara-toekarena ka tetehin’ny sasany havadika krizy politika izao. Raha tsy miezaka mamaha ny olana ao anatin’ny fahakingana, noho izany, ny mpitondra  dia ho sahirana. Isan’ny teboka tokony jerena haingana ny momba ireo tompon’andraiki-panjakana ambony sy isan’ambaratonga tsy mamely. Ny tompon’andraikitra misahana ny orin’asam-panjakana izay tokony hanamaivana ny fahasahiranam-bahoaka, toy ny Jirama sy ny Kraoma. Tokony misafidy sehatra hatao laharam-pahamehana ny mpitondra, ka ho anay dia ny sehatry ny fambolena no maika ikatsahana vahaolana. Tsorinay fa tsy afaka miaro fanjakana ny fotondrafitrasa satria tsy mamokatra ato anatin’ny iray volana io ary tsy afaka mamaha ny olana ho an’ny tsy an’asa rehetra eto. Maika koa ny fahaiza-mifehy ny fifandraisana amin’ireo fianakaviambe iraisampirenena ary maika ny fisafidianana mpiara-miombona antoka sy mpampiasa vola avy any ivelany fa tsy voatery ho Frantsay na Amerikana na Banky Mondialy sy FMI hatrany.

Ralay

Lire aussi