Publié le 17 février 2021
Tsy misy hatahorana intsony ny mbola mety ho firongatry ny valan’aretina Coronavirus eto Madagasikara. Raha fehezina dia io no nambaran’ny praiminisitra Ntsay Christian, nandritra ny fivoriana notanterahina teny amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny Anosy, omaly. Fivoriana izay namelabelarana sy nandinihana ny drafi-pirenena marolafy iatrehana ny Covid-19 eto amintsika. Teo anatrehan’ny solontenan’ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola avy any ivelany, ireo solontenan’ny sehatra tsy miankina sy ny fiarahamonim-pirenena no nanambaran’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta fa efa voafehy tanteraka ny fihanaky ny Coronavirus eto Madagasikara ka tsy hatahorana hirongatra intsony. Heverina fa vaovao tsara ho an’ny Malagasy izany satria rehefa mijery ny toe-draharaha any ampitan-dranomasina any, indrindra fa any amin’ireo firenena matanjaka, dia mbola mampanahy be ihany ny zava-misy satria toa vao maika mihanaka ny valan’aretina na efa mandeha aza ny fanaovam-bakisiny faobe ny mponina. Tsara marihana fa amin’izao fotoana izao ,mbola maro ny firenena miaina ao anatina fepetra ara-pahasalamana henjana toy ny fihibohana sy ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina (couvre-feu). Azo ambara ho sambatra ny Malagasy satria efa miverina amin’ny laoniny tanteraka ny fiainana raha ampitahaina amin’ny firenena maro, na any Eoropa na aty Afrika. Ny tena andrasana izao dia ny fotoana handresentsika Malagasy tanteraka ity areti-mandoza ity raha toa ka hisy izany. Raha ny fahitàna ny tarehimarika mivoaka isaky ny faran’ny herinandro aloha hatreto, nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona vaovao teo, dia mbola sarotra ny inoana fa ho resy tanteraka afaka volana vitsy ny valan’aretina. Ny zavatra azo antoka aloha ary tokony hafaly ny Malagasy dia tsy mieritreritra ny hampiditra ny firenena ao anatin’izany fihibohana izany intsony ny fitondram-panjakana. Marihana fa nandritra ity fivoriana natao teny amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny omaly ity ihany koa no nanaovana jery todika ny ezaka sy ny asa rehetra natao tamin’ny fiatrehana ny Coronavirus, tamin’ny taona 2020. Nodinihana koa ny lamina sy ny paikady vaovao hapetraka mba tsy hampirongatra indray ny valan’aretina rehefa hiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika eto Madagasikara, atsy ho atsy.
F.Tsihiavonana