La Gazette de la grande ile

Ministeran’ny asa : Takiana ny fialan’ireo tsy mahavaha olana

Publié le 17 mars 2021

Manamafy ny fanapahan-kevitra efa noraisiny ny fivondronamben’ny sendikan’ny Mpisafo raharaha sy ny vondron’ny mpanara-maso ny asa, izay samy eo anivon’ny tontolon’ny asa (Inspecteurs et controleurs du travail), izay nitaky ny famahana ny olana mamatotra sy manempotra ny fianakaviamben’ny mpisafo asa eo anivon’io ministera io.

Noho ny fahataperan’ny fe-potoana nofaritan’ireo vondron’ny mpisafo asa sy mpanara-maso ny asa ireo nefa ny vahaolana tsy hita voaka, ary hita taratra koa hoy ireo vondron’ny mpisafo asa fa minia mangina sy zary manakantsakana sy mandrahona aza no setrin’ny fitakiana, ary indrindra ny fametrahana ho ambony indrindra ny tombontsoan’ny daholobe amin’ny fitakiana natao, dia mitaky tsy misy fepetra ny fametraham-pialan’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny ministeran’ny asa izay tsy mahavaha olana izy ireo.

Olona mahavaha olana ary mahafehy ny tontolon’ny asa sady afaka hihaino ny hetahaeta sy izay olana mianjady amin’ny “corps de l’inspection du travail” no tokony homena fitokisana amin’izany rehetra izany, hoy ihany ny fanambaran’izy ireo.

Tsapanay, hoy hatrany ireto mpisafo asa, fa marary ny tontolon’ny asa sy ny fampanana asa raha ny zava-nisy niainan’ny firenena no banjinina. Isan’ny fanamarihana re matetika amin’ny mpiasa sy ny olom-pirenena mbamin’ny tompon’andraikitra ara-panjakana ny tsy fisian’ny vokatra azo tsapain-tanana, hoy ihany ireto mpisafo asa, ka isan’ny teboka manamafy ny fitakiana ny fametraham-pialana sy fanendrena olona mahafehy sy mihaino ny hetahetan’ny mpiasa sy ny olom-pirenena no apetraka.

Rainisoa

Lire aussi