La Gazette de la grande ile

HCC : Mpitsara no nosafidian’ny parlemanta roa

Publié le 25 mars 2021

Tontosa soamatsara, omaly, ny fifidianana ireo solontenan’ny Antenimierandoholona sy ny Antenimierampirenena eo anivon’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana. Ny hita misongadina aloha dia samy mpitsara avokoa no nosafidian’ny depiote sy ny loholona. Ho an’ny Antenimieram-pirenena dia i Nandrasana Georges Merlin Rasolo sy i Noelson William no lanin’ireo solombavambahoaka. Tale kabinetra sivilin’ny praiminisitra Ntsay Christian teo aloha ny voalohany, ary minisitry ny asam-panjakana tamin’ny fitondrana Tetezamita kosa ny faharoa. Ramatoa Rojoniaina Ranaivoson Andriamaholy, magistrate de deuxième grade, ary i Antonia Rakotoniaina, izay magistrate de 1er grade kosa no voafidy teny amin’ny Antenimierandoholona. Ny mpikambana 5 ambiny ho solontenan’ny filankevitra ambony ny mpitsara (CSM) sy ny filoham-pirenena kosa no andrasana sisa dia feno mpikambana eo anivon’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana vaovao.

F.Tsihiavonana

Lire aussi