La Gazette de la grande ile

Fiatrehana ny «2ème vague» : Mbola tsy misy fizarana CVO eny amin’ny fokontany

Publié le 31 mars 2021

Tsy mitsahatra mirongatra ny valan’aretina Coronavirus eto amintsika, ary mbola lohalaharana amin’izany ny Faritra Analamanga. Tsiahivina fa nandritra ny valandresaka manokana nataony tao amin’ny haino aman-jeri-panjakana, ny 20 marsa lasa teo, no nilaza ny filoham-pirenena fa hatomboka manomboka ny alatsinainy 22 marsa ny fizarana ny tambavy CVO maimaimpoana eny anivon’ny fokontany eto Andrenivohitra. Mazava ho azy fa ho fiarovana ny mponina manoloana ny fahatongavan’izao andiany faharoa na “2ème vague” amin’ny valan’aretina izao ny tanjon’ny fanjakana amin’izany. 10 andro aty aorian’ny fanambaran’ny filoha anefa, tsy mbola nisy na iray aza fokontany ka nahitàna fizarana CVO faobe, na eto Antananarivo na any amin’ny faritra hafa. Hatreto aloha dia ny fizarana ny CVO+ maimaimpoana no efa mandeha, tato anatin’ny andro vitsy, saingy tsy natao ho an’ny daholobe izany fa natokana ho an’ny miaramila, polisy ary ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana izay lohalarahana amin’ny ady amin’ity valan’aretina ity. Ankaotra ireo dia nozaraina ny CVO+ ihany koa ireo olona rehetra voamarina fa mitondra ny tsimokaretina. Raha ny fantatra dia nangataka ny hahazo maimaimpoana an’io fanefitra vokarin’ny Pharmalagasy io koa ny mpanao gazety, hatreto anefa tsy nahenoina feo momba an’io fangatahana io mihitsy ny ministera tompon’andraikitra fa ireo mpiasa eo anivon’ny ORTM ihany no nomena tombondahiny ka nozaraina ny CVO+. Fantatra izany araka ny resaka nataon’ny  minisitry ny serasera sy ny kolontsaina tao amin’ny fandaharana “tsy ho tompon-trano mihono”, ny zoma lasa teo. Raha ny tokony ho izy anefa dia mendrika ny hahazo izany maimaimpoana ihany koa ny mpanao gazety rehetra satria miserasera amin’ny sokajin’olona maro eo am-panaovana ny asany. Io fahatarana ny fanatanterahana ny teny nomena io dia efa mampalaza ny fitondrana mijoro ankehitriny, ary tsy vao izao fa hatramin’ny nahatongavan’i Andry Rajoelina teo amin’ny fahefana. Manaporofo izany fa misy tsy fahamatorana eo amin’ny fomba fitantanana ny raharaham-panjakana.

F.Tsihiavonana

Lire aussi