La Gazette de la grande ile

Lozam-pifamoivoizana RN2 : Olana efatra (4) maty

Publié le 01 avril 2021

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatasiravina indray ny lalam-pirenena faha-2, teo anelanelan’Antanambao sy Antsarimasina. Taxi-brousse sy fiarabe iray no nifandona ka olona 4 no fantatra fa namoy ny ainy, ary 9 kosa no naratra mafy, raha ny fampitam-baovao nataon’ny  Zandariamariam-pirenena. Isan’ireo tra-doza ary namoy ny ainy tao anatin’ity loza mahatsiravina ity ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny CISCO Vatomandry, vaovao namarinin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Ity farany izay avy namita iraka tany Toamasina. Isan’ireo namoy ny ainy koa ny mpamilin’ilay taxi-brousse sy ny mpandeha roa tao anatiny. Ny loharanom-baovao avy amin’ny Zandarimariam-pirenena ihany no nahafantarana fa nandeha mafy nifanenjika tamin’ny fiara hafa ity taxi-brousse ity ka tao anatin’izany no nidona tamin’ilay fiarabe.

Etsy ankilany kosa anefa dia hiaraha-mahita fa maro ny lalana simba eny anivon’ny RN 2 iny, koa manaitra ny fitondram-panjakana ny mponina mba hijery akaiky ary hikojakoja iny lalana iny, fa efa mampitera-doza andro aman’alina.

A.M

Lire aussi