La Gazette de la grande ile

Ady amin’ny Covid-19 : Tsy mahay mijery lavitra ny mpitondra

Publié le 01 avril 2021

Ny mpitondra fanjakana rehetra eran-tany dia tokony hahay hijery lavitra eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana, araka ilay fitenin’ny Frantsay hoe: “gouverner, c’est prevoir”. Rehefa mijery ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena ankehitriny anefa, mahakasika ny fiatrehana ny valan’aretina Coronavirus, dia hita fa tsy manana izay fahaizana mijery lavitra izay ny fitondram-panjakana eto amintsika. Trangan-javatra maromaro no azo hitarafana izany, ankehitriny. Misedra olana goavana ohatra ny hopitaly noho ny tsy fahampiana na tsy fisian’ny oxygène ampiasaina ho an’ireo marary. Ny any Mahanjana izay anisany tena voamafy amin’izao “2ème vague” izao, dia manao antso avo amin’ny fanjakana foibe ny tompon’andraikitra ao amin’ny hopitaly satria feno tanteraka ny toerana, betsaka ny maty ary tsy maharaka ny fitaovana hitsaboina ny marary, isan’izany ny oxigène sy ny “concentrateur d’oxigène”. Manampy trotraka izany koa ny tsy fahampian’ny fanafody sy ny vidiny izay misondrotra isan’andro. Ny praiminisitra moa raha nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny CTC-Covid-19 etsy Mahamasina, ny talata teo, dia niaiky fa tena misedra olana tokoa isika eto Madagasikara amin’io tsy fisian’ny oxigène eny amin’ny hopitaly io. Izany trangan-javatra izany fotsiny dia efa azo hitarafana fa tsy mahay mijery lavitra ny fitondrana mijoro ankehitriny. Mazava ho azy fa rehefa miresaka fitondram-panjakana dia tafiditra ao anatin’izany ny minisitra, ny praiminisitra ary ny filoham-pirenena izay tompon’ny fanapahan-kevitra voalohany eto amin’ny firenena. Raha tena nijery lavitra mantsy ny mpitondra eo amin’ny fiatrehana ny valan’aretina, dia azo antoka fa mety tsy nisy izao olana sedrain’ny hopitaly sy ny fidangan’ny vidim-panafody izao. Sarotra mantsy ny inoana fa tsy nahafantatra ny mety hisian’ny “2ème vague” eto amintsika ny fanjakana, volana vitsy mialoha. Torak’izany koa ny mikasika ny vaksinin’ny Coronavirus, efa mihazakazaka manao vaksiny faobe ny mponina ao aminy daholo ny firenena rehetra vao tapa-kevitra ny hiditra ao anatin’ilay fandarahan’asa Covax napetraky ny OMS ny fitondrana Rajoelina rehefa avy naka ny hevitry ny akademian’ny mpitsabo eto Madagasikara. Tsy tokony izany anefa ny zava-misy raha tena mijery lavitra ny fitondram-panjakana fa vao napetraka ny OMS ny Covax, avy hatrany dia tokony naka ny hevitry ny akademian’ny mpitsabo. Tsara hatrany ny mampatsiahy fa faran’izay saro-pady ny resaka fahasalamam-bahoaka ka tsy tokony hanaovana vazivazy. Tsy adala akory ny ankamaroan’ny firenena rehetra raha tonga dia nanafatra vaksiny hiadiana amin’ity areti-mandringana ity. Ny zavatra hitranga mantsy izao, dia mbola ho ela mihintsy vao ho tonga eto Madagasikara ny vaksinin’ny Covid-19 satria mbola ireo firenena manodidina ny 140 niditra ao anatin’ny Covax no laharam-pamehana, izany hoe mahazo ny famatsiana vakisiny voalohany.

F.Tsihiavonana

Lire aussi